Politique

Manahy krizy ny firaisamonim-pirenena Miantso ny FFKM hitarika fifampiresahana


  • Alarobia 08 Martsa 2023

Namoaka fanambarana iraisana ny Firaisamonim-pirenena manodidina ny 20 isa omaly 07 martsa 2023,

ka navoitran’izy ireo ny fametrahana fanovana tsy azo ihodivirana alohan'ny fifidianana 2023 ahafahana misoroka krizy vaovao. Efa anatin'ny taom-pifidianana tanteraka isika ankehitriny, saingy tsy mbola azo antoka ny filaminan’ny fizotrany. Na dia teo aza ireo fampitandremana samihafa efa natao, rehefa nakana lesona ny tranga niainana teo aloha, maro ireo ahiahy mbola mipetraka mikasika ny fifidianana filoham-pirenena, hoy izy ireo. Eo ihany koa ny tsy fahampian'ny serasera manodidina ny fifidianana kaominaly sy monisipaly,… Noho izany, mamporisika ny fametrahana sehatra fifanakalozan- kevitra miasa anaty fahamarinana sy mampandray anjara ny rehetra izy ireo, hahafahana mamantatra miaraka ny tena olana misy, sy ny vahaolana izy ireo. Mangataka ny mba hitarihan'ny FFKM io fifampiresahana io, ka hanasány ny tompon'andraiki-panjakana (Mpanatanteraka, Mpanao lalana, Mpampihatra lalána) ny antoko politika sy ny mpisehatra ivelan'ny Fanjakana (Firaisamonim-pirenena, sendika, seha-pamokarana tsy miankina, Fikambanana ara-pinoana) hiara-handinika ny vahaolana tsy miangatra. Toy izao ny soso-kevitra tetiandro naroson’izy ireo hanatanterahana izany (2023): Fifanakalozan-kevitra eo amin'ireo mpisehatra rehetra (fivoriana voalohany) amin'ny volana martsa; Famolavolana ireo fanovana hatao amin'ny lalam-pifidianana ny volana aprily; Fametrahana izany eo anivon'ny Governemanta sy ny Antenimiera ny volana mey; Fanitsiana ny Lalana mifehy ny tetibolam-panjakana ampidirana tetibola ampy hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena sy kaominaly ny volana mey; Fandaniana sy famoahana ny lalana amin'ny volana jona; Fanaovana tombana ny fandrosoan'ny fanovana (fivoriana faharoa) ny volana septambra,… Tokony hifameno amin'ny fikarakarana ny fifidianana ankehitriny ihany koa anefa izany fikaonan-doha izany fa tsy sanatria hampisy fahatarana amin'ny fiatrehana ny fifidianana, hoy izy ireo, izay nahitana ny Alliance Voahary Gasy; Liberty 32; Mouvement ROHY; MSIS Tatao; ONG Hitsy ONG Ivorary; ONG Tolotsoa; SAFIDY, Observatoire des élections; Transparency International ,…
Toky R

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT