Politique

Mana Parfait Tsy ahitam-bokatra intsony ny revirevin-dRatsiraka


  • Alarobia 09 Novambra 2011

Ny isavorovoroan-kilatoana, hoy ny fitenin-drazana.

 Efa manomboka miala amin’izany isika taorian’ilay fanaovan-tsonia ny sori-dalan’ny SADC sy ny fanendrena ny praiminisitra iombonana, hoy Atoa Mana Parfait, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy any Toliara. Tsara raha miditra ao anatin’ny dingana misy ankehitriny dia ny fananganana ny governemantan’ny fampiraisam-pirenena ny Amiraly Ratsiraka mba ahafahan’ny olona mahita ny anjara masoandrony amin’izay. Manjary mampiverin-dalana ny olana misy indray, hoy izy, ny zava-misy amin’ny fangatahana izany fihaonana an-tampon’izy 4 mirahalahy mianaka ambarany izany. Nandritra izay krizy izay dia efa betsaka ny fihaonan’izy 4 ireo, hoy ny CT Mana Parfait, saingy ny vokatra dia tsy nahavaha mihitsy izany krizy izany. Ny fihaonan’ireo filohana delegasiona kosa anefa etsy an-kilany, araka ny nambarany ihany, no nahatongavana tamin’iny fanaovan-tsonia ny sori-dalan’ny SADC iny izay hita fa mizotra mankany amin’izany famahana krizy ka ny dingana efa nirosoana tamin’izany ny fanendrena praiminisitra iraisana. Izy Amiraly Didier Ratsiraka aza, hoy ity CT ity, tamin’ny 4 novambra teo dia nahateny fa «revin-gadra» ny azy amin’io fihaonan’ny 4 tonta io, izay midika fa hetsika tsy ho azo tanterahina intsony izany io nofinofiny io.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT