Governemantan'ny firaisam-pirenena. Andrasan'ny maro ny hitsanganany amin'ity herinandro ity.
Raha ny tetiandro voarakitry ny fampiharana ny tondrozotra dia tokony hitsangana hatramin'ny 17 novambra 2011 izy io, farafahatarany. Tato anatin'ny folo andro izay dia nanao tohivakana teny Mahazoarivo ireo ankolafy sy vondrona politika nanatitra ny lisitry ny kandidan'izy ireo hifantenana minisitra. Teny am-piandohana dia nambara fa ireo vondrona nanao sonia ny tondrozotra ihany no afaka manolotra lisitra. Niova teny am-pandehanana anefa izany, ka na dia ireo nanao sonia fanohanana ny tondrozotra aza dia tonga teny Mahazoarivo nanatitra ny azy. Tetezamita iaraha-mitantana sy andraisan'ny rehetra anjara rahateo moa no heverina hajoro ka mety ho izay no antony. Eo no tsikaritra fa mety hampikatso indray ny raharaha. Ny zava-misy aloha dia sahiran-tsaina i Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy. Voalohany, tsy maintsy hiaraka hiasa amin'ny mpanohitra. Ireto farany izay mitaky fa isasahana ny toerana eo anivon'ny governemanta. Faharoa, ny tsindry ataon'ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra ireo mpamatsy vola. Ireto farany izay tsy mankasitraka ny mbola hanendrena indray ireo minisitra teo aloha, efa tao anatin'ny fitondran'ny Fahefana avon'ny tetezamita.
Voatonona ao anatin'izany ny minisitry ny fitsarana Christine Razanamahasoa, izay voakiana mafy tamin'ny tsy fanajana zon'olombelona, ny minisitry fitantanam-bola sy ny tetibola Hery Rajaonarimampianina, ny minisitry harena ankibon'ny tany sy ny solika Mamy Ratovomalala ary ny minisitry ny fanapariaham-pahefana sy ny fanajariana ny tany Hajo Andrianainarivelo. Iretsy roa voalohany moa tsy nisy nanolotra ho kandida minisitra, fa ireto roa farany kosa dia tafiditra amin'ireo efatra natolotry ny TGV, miaraka amin'ny minisitry serasera Rahajason Harry Laurent sy ny minisitry raharaham-bahiny sady filoha nasionalin'ny antoko MAMAN (Madagasika Mandroso), Rtoa Yvette Sylla. Raha fito volana tao anatin'ny governemanta Camille Vital, ireto roa farany, dia mpiray dia ary azo lazaina fa tanan-kavanan'i Andry Rajoelina i Mamy Ratovomalala sy Hajo Andrianainarivelo, ary mihevitra ny maro fa betsaka ny heriziky hahatafidiran'izy ireo ao anaty governemanta Beriziky, raha tarafina tamin'ny lahatenin'i Andry Rajoelina tamin'ny 28 oktobra 2011, nanendrena ny praiminisitra, nilazany fa dia izy no nisafidy ary tsy nisy tsindry avy amin'iza na avy aiza tamin'izany. Ny hahazoana fankatoavana iraisam-pirenena moa no tanjona amin'ity governemanta hajoro ity, ary tokony hanaraka mora eo ny famatsiam-bola. Mety ho sarotra anefa ny hahatongavana amin'izay manoloana ity karazana fepetra apetrak'ireo mpiara-miombon'antoka mikasika ireny minisitra FAT taloha ireny. Tonga ao an-tsaina ny raharaha Wisco any Soalala, na somary nangingina na nampanginina aza izy io tato ho ato. Tsy tokony ho nandraikitra fifanarahana lehibe toy iny mantsy ny tetezamita nefa nataon'ny FAT.
Manana andraikitra amin'izany ny minisitry ny harena ankibon'ny tany, Mamy Ratovomalala. Ity farany izay efa nametraka tantara tamin'ny andron'ny Amiraly, voasambotra tany Frantsa tany nefa minisitra am-perinasa. Mikasika an'i Soalala io dia mbola baraingo ny amin'ilay vola 100 tapitrisa dolara, izay karazana fandraiketam-barotra nambara nifanarahana tamin'ilay orinasa sinoa Wisco, na dia avo valo henin'io aza ny vola nofaritan'ny fitondrana teo aloha, satria efa tamin'ny andron-dRavalomanana no nandeha ny fifampiraharahana mikasika azy io. Olana goavana koa ny lafiny tontolo iainana, satria mahakasika faritra arovana ity fitrandrahana vy hataon'ny Wisco any Soalala ity. Fa ankoatra io dia nisedra olana ny sehatry ny fandraharahana solika hatramin'ny nitantanan'i Mamy Ratovomalala io departemanta io. Mbetika no nifanenjana ireo mpandraharaha mpanafatra solika sy ingahy minisitra, taorian'ny fameran'ny FAT ny vidin-tsolika tsy hanaraka ny vidy ara-dalàna eo amin'ny tsena. Nitaraina ho matiantoka ireo mpandraharaha ary dia maro ireo toby mpaninjara solika nikatona vokatr'izany. Niantraika hatrany amin'ny famokarana herinaratra io olana io, dia ireny delestazy lavareny ireny no vokany.
Eo amin'ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany dia betsaka ny gaboraraka. Porofon'izany ny zava-nitranga tany Mandraka Toamasina II, ny zava-misy any Ikalamavony, ny olana sedrain'ireo mpitrandraka madinika any Melaky sy any Ambanja. Ny resabe manodidina ny fitrandrahana fasimainty ataon-dry zareo Sinoa any Manakara sy Analanjirofo iny, raha tsy hitanisa afa tsy ireo. Ho an'ny minisitra Hajo Andrianainarivelo dia ny lafiny fananan-tany no mahabe resaka. Nampifanolana ireo samy mpikambana teo anivon'ny governemanta Vital mihitsy io, ary nifanehatra nivantana taminy Rtoa Nadine Ramaroson, minisitry ny mponina sy ny raharaha sosialy, fahavelony. Nanenjehana ny fitondrana Ravalomanana ho mpivarotra tanindrazana, ary nitondrana taratasy teny an-kianjan'Ambohijatovo mihitsy tamin'ny 2009 ireny, ny raharaha Daewoo, orinasa koreana tatsimo saika hanao fambolena amin'ny velaran-tany midadasika teto. Tampoka teo anefa dia nipoitra avy any ny orinasa indianina Varun, izay tsy mifanalavitra amin’itsy aloha, saingy tsy misy mpiresaka. Be ny azo ambara, fa santionany ihany ireo, nefa fa mety hampikatso ny raharaha. Hijoro ny governemanta fa mety tsy hahazo fankatoavana raha toa ka … ary tsy ho azo indray ny vola. Mandeha anefa ny fotoana, ny vahoaka mijaly !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.