Politique

Mamy Rasolojaona Natolotry ny MDM ho minisitra


  • Alakamisy 10 Novambra 2011

Na tsy dia maro be aza dia misy ihany ireo olom-baovao natolotry ny vondrona politika sasany mba hotendrena minisitra ao anatin’ny governemantan’ny firaisam-pirenena.

 Efa ho telo andro moa izao no nivezivezy teny Mahazoarivo teny izy ireo. Misy ireo mpanao politika efa diso fantatry ny maro loatra satria niseho sehatra foana tato anatin’ny roa taona izao, misy kosa ireo olom-baovao ary azo lazaina hoe teknisianina tahaka an’Atoa Mamy Rasolojaona, izay anisan’ny tao anatin’ny lisitry ny MDM tarihan’i Pierrot Rajaonarivelo ary nihaona tamin’ny praiminisitra Omer Beriziky teny Mahazoarivo omaly maraina. Tsy mpanao politika fa teknisianina amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra Atoa Mamy Rasolojaona. Efa filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Telma izy ary diso fantatry ny mpiasan’ny Telma loatra.

Fa ankoatra izay dia efa filohan’ny federasionin’ny Tennis ihany koa izy ary anisan’ny tena mankafy fanatanjahantena. Araka ny nambara teny am-boalohany dia tsy mpanao politika Atoa Mamy Rasolojaona ary tsy mipoitra firy amin’ny gazety sy ny haino aman-jery na dia anisan’ireo olona manana ny maha izy azy eto Antananarivo aza. Nisy ny fotoana efa nahatazanana azy ihany nifanerasera tamin’ireo mpitondra tao amin’ny FAT nandritra izao tetezamita izao. Tsara ho fantatra ihany koa fa izy no ray niteraka an’i Tahiana Rasolojaona na JayTaxx, mpanorina sy tale jeneralin’ny onjam-peon’ny tanora na RDJ. Ankehitriny kosa anefa dia mazava ny resaka fa vonona ny hiditra amin’ny sehatra politika ity PCA-n’ny Telma teo aloha ity matoa nanaiky ny ampidirina ao anatin’ny lisitry ny MDM natolotra teny Mahazoarivo. Raha ny tombantomban’ny mpanao gazety dia na ny ministeran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, na ny ministeran’ny fanatanjahantena dia samy mety aminy. Mbola resaka hafa indray moa ny amin’iny ka dia samy miandry aloha.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT