Manoloana ny resabe manodidina azy sy ny fiainany manokana dia nanapa-kevitra ny hivoaka tamin’ny fahanginany ka nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly teny an-tranony teny Ankadifotsy i Mamy Rakotoarivelo, filohan’ny kongresin’ny tetezamita teo aloha.
Nandritra izany fotoana izany no nilazany fa mbola mpikambana zato isan-jato ao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara ny tenany. « Marina fa nisy mpikambana sasany ao amin’ny antoko izay nahatsiaro voailikilika sy adino no nanatona ahy ka nampirisika ahy hanangana antoko hafa mba ahafahako milatsaka hofidiana ho filoham-pirenena amin’ny 2018 saingy nolaviko marindrano. Nambarako tamin’ireo mpikambana fa ny filoha Ravalomanana ihany no hotohanana amin’ny 2018 fa hasiana fanamboarana kosa izay tsy mety teo amin’ny fiainan’ny antoko mba tsy hisy hahatsiaro tena voailika », hoy Atoa Mamy Rakotoarivelo. Ny alatsinainy teo, araka ny fanazavana nomeny hatrany, no nihaona tamin’ny filoha Ravalomanana izy ka nandamina io resaka mitady hahakivy ny mpikambana sasany io. Tapaka tamin’io fihaonana io, araka ny fanazavana azo hatrany, fa tsy hisy intsony ireo mpila ranondranony amin’ny filoha Ravalomanana ilay nantsoina hoe Tiko boys sy yes man.
Hanambady indray
Momba ny MBS indray dia nanambara ity tale jeneraliny ity fa afaka roa na iray volana sy tapany dia hiverina handeha ny haino aman-jery MBS. Taorian’ny nakana ny taratasy fahazoan-dalan’ny MBS dia nitondra ny raharaha teny anivon’ny filankevitra ambonin’ny fanjakana ny MBS ka manantena ny mpitantana fa hahazo rariny. Momba ny fiainany manokana indray dia nanamafy Atoa Rakotoarivelo Mamy fa mikasa ny hanorin-tokantrano ny tenany amin’ny volana febroary 2016 ka ilay tovovavy teratany vahiny efa nasehony tao amin’ny tranokalam-pifandraisana ihany no raozy voafidiny. Mangataka ity mpanao politika ity ny mba hanajana amin’izay ny fiainany manokana.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.