Mamy Raharimanana

«Misy fenitr’olona maty tratrarina ve vao handray fanapahan-kevitra?»


  • Alatsinainy 06 Oktobra 2025

Desambra 2024 no efa nanaitra ny antoko politika Maeva,

hoy ny filohany, Mamy Raharimanana. Misy ny fitenenana hoe «Taitra ny olona tsy mba taitra, taitra irery vao mamaky takitra!», hoy izy. Tokony hanana fijery lavitra ny olona mitondra izany! Mila mihaino ary mila mamaha olana. Rehefa tsy mahavaha olana, mialà! Mialà ianao anio dia anio! Tsy ny fanesorana minisitra no mampandeha jiro sy rano. Tsy fandravàna governemanta lazaina fa fisokafana, hisokatra amin’iza?, no atao hoe vahaolana eto amin’ny tany sy ny firenena. Rava ny andrim-panjakàna rehetra eto amin’ny tany sy ny firenena. Mialà ianao eo andriamatoa Andry Rajoelina! Efa niala niaraka tamin’ny governemantany koa ny praiminisitra Ntsay Christian. Vanin’andro fandraisana andraikitra isika izao. Ny miaramila no mila mandray andraikitra hanavotana ny firenena. Efa niteny aho hoe sao hifamono eto isika raha hisy ny fipoahana sosialy? Io fa mipoitra ilay izy. Iza no tomponandraikitra? Ny tanora mitaky ve sa ny mpanao politika mijapy? Efa niteny aho fa tsy resaka seza intsony ity fa fanavotana an’i Madagasikara amin’ny lafiny rehetra. Tsy haiko izay manana fomba fijery hiditra amin’io governemanta io. Mijoroa raha sahy ianareo hoe izaho dia mpikamban’ny governemantan’ny fisokafana. Tsy izay intsony ity. Na governemanta iza na iza no eo dia tsy hahavaha ny olan’ity firenena ity intsony. Be dia be ny azo nifampiresahana nialohan’izao krizy mipoaka izao. Tonga amin’ny tsotsoromamba isarahana isika. Andraikitry ny malagasy rehetra ity. Samy mahita ny rehetra fa hatrany amin’ny faritra, tena sahirana daholo ny vahoaka malagasy. Hifamono eto ny samy sivily no tian’ireo mampivory atsy sy aroa ireo ahatongavana. Efa nisy tamin’ny 2009 izany. Mety maromaro no antony izirizirian’ny filoham-pirenena. Teboka tokana no ambarako. Mbola eo ilay fitiavan-tseza, fitiavan-tena fa tsy misy fitiavan-tanindrazana mihitsy ao amin’andriamatoa Andry Rajoelina ka ny angatahiko aminy dia hoe mametraha fialàna am-pahendrena feno! Afaka mody any amin’ny tanindrazanao ianao avy eo. Tsy nisy izay tsy nahafantatra ny vola nivoaka ny taona 1991, 2002, 2009. Tokony ho tonga saina izay tokony hamaha ity olana ity faran’izay haingana mba tsy ho banky foibe tsy misy vola intsony no ho eto amin’ity firenena ity. Zava-doza no hitranga eto raha mbola tsy handray andraikitra ny tafika! Ny vola very tsy olana. Ny faty olona hitombo no olana. Misy fenitr’olona maty tratrarina ve vao handray fanapahan-kevitra? Ny ahy olona iray no maty dia efa mampalahelo ahy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Paul Rabary
  • Alarobia 22 Aprily 2026

«Apetraho dien’izao ny rafitra tsy mitanila!»

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT