Mamy Raharimanana

«Aoka tsy ho sinema intsony no hitondràna an’i Madagasikara!»


  • Talata 11 Martsa 2025

Tsy miheritreritra ny hidina an-dalambe mihitsy ny antoko politika Maeva,

hoy ny filohan’ity antoko ity, Mamy Raharimanana, raha toa ka mbola izao no zava-misy. Tsotra ny antony, hoy izy, dia hoe inona no tombontsoa hitondràna ny olona hidina an-dalambe? Efa lany andro izany 13 may izany. Ny famonoanao olona, ny fandratranao olona, famotehana zavatr’olona, izay ve no hahatonga anao eo amin’ny fitondràna? Iza no tsy nikaikaika tamin’ireny 2009 ireny? Ny mpitondra firenena tamin’izany izay nolazaina fa nitifitra ve no tomponandraikitra sa ny mpitondra ny olona teny Ambohitsirohitra? Eo no mbola tiako hisarihina ny sain’ny olona. Nitsoaka tsinona avy eo ny mpitondra tamin’izany fotoana izany. Tonga ny mpitondra vaovao. Rehefa avy eo nandeha ny fitsaràna nanameloka ny mpitondra teo aloha tamin’izany. Izy moa tany Afrika atsimo. «Affaire classé» na nampirimina ve ny raharaham-pitsaràna tamin’izany sa nivadika fifanarahana politika sa inona? Aoka tsy ho sinema intsony no hitondràna an’i Madagasikara, raha sanatria ka misy izany sinema izany! Mandehana an-kitsim-po, indrindra, amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. Raha misy ny fahatahorana an’Andriamanitra, tsy ohatran’izao i Madagasikara. Tena betsaka ny olona faly amin’izao toe-java-misy eto amin’ny tany sy ny firenena izao. Malahelo ny tena manoloana ny toe-java-misy eto amin’ny firenena. Hoy ny filoham-pirenena amerikanina, Donald Trump, hoe olombelona ve ianareo afrikanina ireo? Mipetraka ho antsika malagasy koa izany fanontaniana izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT