Mamy Rabenirina

«2 amin’ireo firenena 15 anaty SADC no manana masoivoho eto»


  • Talata 19 Aogositra 2025

Vita iny ilay fihaonana an-tampony, hoy ny depiote, Mamy Rabenirina.

Madagasikara izany izao, hoy izy, no mitarika. Hatramin'ny fiafarany dia novoizina foana ilay hoe voafidy ho filohan'ny SADC. Mba tiana ho fantatra ihany izay voka-pifidianana raha izany tokoa. Toy izany koa ilay hoe mahasarika ny firenena mpikambana i Madagasikara. Ny zava-misy anefa dia 2 amin’ireo firenena miisa 15 hafa mpikambana ihany no manana masoivoho eto Madagasikara. Ny 1 amin’ireo 2 ireo dia tsy nanendry ambasadaoro intsony rehefa niala ny teo aloha, efa ho 9 volana izao, fa mpiraki-draharaha ihany no manao ny asa andavan’andro. Nakatona ny biraom-pifandraisana tamin’ny SADC izay efa nisy tany aloha. Lehibem-panjakàna vahiny miisa 6 ihany no tonga nanatrika ny fivoriana an-tampony faha 45. Efa azo itarafana ny tena zava-misy ireo teboka vitsy ireo raha fifandraisana iraisampirenena no resahana. 2 amin’ireo firenena 15 anaty SADC no manana masoivoho eto, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT