Mampitandrina ny kandidan’ny fanoherana

Miankina amin’izay ataon’ny HCC eo ny tohin’ny tantara…


  • Alakamisy 20 Jona 2024

Na misy kandida avy amin’ny mpanohitra aza lany vonjimaika, dia mitazona sy manamafy fa fifidianana maloto sy feno halatra

sy hosoka ny kandida avy amin’ny Vovonana Firaisankina sy ireo kandida hafa miray feo aminy, raha ny navoitran’izy ireo teny amin’ny Hotely Panorama Andrainarivo omaly 19 jona 2024. Nitohy ny fanatsikafonana ny ambaran’izy ireo fa fandikan-dalàna samihafa sy ny hosoka ara-pifidianana, toy ny fampiandaniana ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny politika, ny tsy fanafangaroana ny asan’ny filoham-pirenena amin’ny asa anaty antoko, ny tsy fahafahana manao fitokanan-javatra anaty vanim-potoanan’ny propagandy, izay tsy manaja ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana, ny andininy faha-49, ny andininy 61-62-63 amin’ny ny lalàna 2018-008 momba ny fifidianana,… araka ny fanazavana nentin’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Ny filazana fotsiny fa kandidam-panjakana dia efa tsy misy ny tsy fiandanian’ny fitantanan-draharaham-panjakana na « neutralité de l’administration », hoy ny depioten’Analalava Djaosera Irenée. Ankoatra ny fandrahonana samihafa, minisitra roa no nifanesy tonga tany nizara zavatra, avy eo ny Filoham-pirenena mihitsy no tonga ary niantso vahoaka hifidy ny kandida afaka miara-miasa aminy, fa tsy mpanohitra hisakana fandrosoana. Noraketina tamin'ny alalan'ny vadin-tany ny fandikan-dalàna. Nangataka « audience publique » amin’ny HCC fa tsy nahazo, kanefa misy nangataka aiza ny fitovian’ny herijika na « égalité de chance » ? hoy io depiote sady kandida io. Maro amin’ny kandidan’ny fanoherana no nangataka izany, fa tsy nahazo hatreto, raha ny fanamarihana. Tany Vohemar, norahonana ny mpiasam-panjakana fa hafindra toerana rehefa tsy mandany kandidam-panjakana, hoy ny kandida avy any. Lazaina fa feno mpifidy kanefa olona iray angamba no manao sonia. Olona nampanantenaina vola tsy nahazo no mamoaka ny tsiambaratelo, hoy hatrany ny fanazavana. Misy delegena kandida navoaka nahafahana nameno ny vata fandatsaham-bato. Ny fanampiana traboina avy amin'ny BNGRC nozaraina tao anatin'ny propagandy ary nolazaina fa novidian'ny kandidam-panjakana. Misy ny kandidam-panjakana nomena angidimby manokana tamin’ny distrika sasany. Tany Ambatondrazaka, nitondra porofo ambarany fa mivaingana tsy azo lavina ny depiote Fidèle Razarapiera, toy ny 228 nivadika 528, ka mihoatra ny vato manan-kery ny vaton’ny kandidam-panjakana,… Naneho kosa Atoa Maharavo Tolojanahary Maharavo nisolo tena ny kandida Christine Razanamahasoa, fa efa iaraha-mahita ny fandikan-dalàna maro lafy, miverina ny fanjanahatany ary efa fanandevozana ny Malagasy no misy satria izay tian’ny mpitondra atao dia ataony avokoa, ka tokony hoheverina izay tokony hatao !
MIANKINA AMIN’NY HCC NY TOHINY…
Manoloana ny hoe : inona ary no atao sy manao ahoana ny tohiny dia « Tsy maintsy hiarahanay mandray fanapahan-kevitra, ary hifampizara andraikitra ny KMSB,... Rehefa terana ankolaka izahay ho any amin’ny làlana tsy tokony handehanana dia eo ny mpifidy rehetra hiaro ny safidiny », hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Miantso ny HCC hitsara am-pahamarinana sy araka ny lalàna ary tena handray fanapahan-kevitra eo anatrehan’ireo tsy fanarahan-dalàna maro ny fanoherana. Miandry an’izay ny rehetra fa tsy sanatria efa hita ny hala-bato tany amin’ny SRMV sy ny CENI dia mbola hoekena ihany, hoy ireo kandidan’ny fanoherana, izay toa karazana fampitandremana. Miankina amin’ny HCC ny mety ho tohiny ! Nanaitra ny fianakaviambe iraisam-pirenena tsy hitazam-potsiny ny zava-misy ihany koa izy ireo.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT