Politique

Mampikony Minisitra no mandrahona


  • Alatsinainy 14 Desambra 2015

Manao ny fomba rehetra ary mampiasa ny fahefam-panjakana ny HVM mba hanerena ankolaka na mivantana ireo mpifidy vaventy hifidy ny lisitra HVM amin’ny fifidianana Loholona hotanterahina amin’ny 29 desambra ho avy izao.

 

 Tany Mampikony, faritra Sofia dia nantsoina hiakatra tao an-drenivohitry ny Distrika avokoa ireo Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina fa hoe hisy fiofanana mikasika ny resaka fandriampahalemana. Fetsy ny mpikarakaraka, tsy toy ny tany amin’ny Faritra Anôsy nampiasana taratasy fiantsoana na natao toho-tsofina niampita. Telo andro dia ny zoma 11, sabotsy 12 ary alahady 13 no voalaza fa hiofanana. Teo amin’ny fotoana aloha dia somary nahagaga sy nampametra-panontaniana ny maro ihany hoe inona ity fiofanana andro alahady ity ? Tonga ihany anefa izy ireo, satria voalaza fa minisitry ny Atitany sady « coach » ny faritra Sofia no hampiofana. Tonga ny andro zoma, tsy nisy na inona na inona. Efa nisy ny nimenomenona, mahatsiaro ho very fotoana, nefa miala am-paosy amin’ny fiantranoana sy ny sakafo. Rehefa hitan’ny mpikarakara fa nisy fimenomenomana dia nambara indray fa homena ny saram-piofanana rehefa tonga ny minisitra. Tonga tokoa ity farany niaraka tamin’ny lehiben’ny Faritra omaly, ary dia nivadika ho fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana Loholona ity fiofanana mikasika ny fandriampahalemana nifampiantsoana. Tsindry bokotra no nasesik’ireo olom-panjakana, fa dia fantatr’izy ireo, hono, ny tsy tia azy, ary nampiany fa « aza miady amin’ny mpandoa-bary ». Talohan’io dia efa naparitaka ny resaka fa harahina amin’ny alalan’ny vodisosona bileta tokana ny latsa-bato ataon’ireo mpifidy vaventy, ka dia hibaribary eo izay tsy mifidy HVM. Rehefa nahatsapa ny tompon-draharaha fa nangatsiatsiaka ireo nasaina, dia nampanantenaina fa hisy « mis au vert » ka dia horaisin’izy ireo an-tanana, hono, ny saram-piantranoana amin’ny hotely sy ny sakafo manditra ny telo andro, ny 27, 28 ary 29 desambra andron’ny latsa-bato, ary mbola harahina valisoa ho an’izay mifidy HVM. Fa ny omaly dia 30.000 Ariary isan’olona no nozaraina.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT