Raha tsy ity no voalohany, dia ity fitondrana HVM ity no tena mpanao azy.
Tsy fahita ary tsy fandre tamin’ny tantaran’ny vondrom-bahoakam-paritra eto Madagasikara no misy Ben’ny tanàna apetraka amin’ny toerany, ka ametahana samboady in-droa miantoana raha tsy tamin’izao fitondrana HVM izao. Mahagaga fa saika amin’iny faritra Sofia iny no ahitana izany. Tany Mampikony, ny faran’ny herinandro teo, dia nanaovana lanonana indray ny fametrahana amin’ny toerany ireo Ben’ny tanàna miisa 11 voafidy nanerana ny Distrika. Nantsoina hanotrona hatramin’ireo mpanolotsain’ny Kaominina. Tonga tany an-toerana nanatanteraka izany ny minisitry ny atitany, Mahalafy Solonandrasana, sady “coach” ny faritra Sofia rahateo moa. Roa volana lasa anefa izay, efa nisy lanonana notarihin’ny lehiben’ny Distrika izay, solontenam-panjakana, nametrahana ny samboadin’ireo Ben’ny tanàna ireo sy nametrahana azy ireo amin’ny toerany avy. Ka inona no mbola nanaovana lanonam-panjakana fanindroany indray ? Sa ny vola misy fa ny handaniana azy no tsy fantatra ? Sa hanasana atidoha ireo mpifidy vaventy mba hifidy ny lisitra HVM amin’ny fifidianana Loholona hatao amin’ny 29 desambra 2015 ? Tsy efa propagandy mialoha ny fotoana ve izany ? Dia ahoana, hoy ny CENI ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.