Kolikoly, hoy ny sasany ; fividianana safidy, hoy ny hafa. Manao izay ho afany tsy mandala vola amin-karena mihitsy ny antoko eo amin’ny fitondrana HVM amin’ny fikarakarana ireo mpifidy vaventy hifidy Loholona rahampitso talata 29 desambra 2015.
Any Mampikony izao, dia efa tamin’ny sabotsy 26 desambra no nampiakarina ao an-drenivohitry ny Distrika ireo mpifidy vaventy, ahitana Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina. Nanofana hotely, iantohana sakafo izy ireo ary mbola omena vola ho vatsy ihany koa, mbola arahin’ny hafatra miendrika baiko hifidy lisitra HVM.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.