Mampiaka-peo ny FEDEP Madagascar

« Avoahy ireo gadra politika, tsipahanay iny fifidianana iny »


  • Talata 28 Novambra 2023

Mampiaka-peo ny FEDEP MADAGASCAR (Fédération des Ex-Détenus et Victimes Politiques de Madagascar)

manoloana ny lalan-tsarotra andalovan'ny firenena. Takian’izy ireo ny famoahana ireo gadra politika manolana ny zava-manjo azy ireo. Fitiavan- tanindrazana sy fijoroana hanohitra ny tsy mety rehetra nisy teto amin'ny firenena no nanaovany sorona ny ainy, hoy ny FEDEP tamin’ny alalan’ny Filohany Henri Rakotomalala na Riribe. Fijoroana hiaro ny Tanindrazany tsy ho azon'ny vahiny no nijoroan'i Ninie Donia tao Nosy Be saingy fampidirana am-ponja izay niafara tamin'ny fahafatesany no setrin'izany avy amin'izao fitondrana izao. Izao ihany koa dia maty ny zanak'i BERIJA vokatry ny aretim-po nahazo azy noho ny alahelony ny Rainy mbola any am-ponja,... ka nomelohin’ny FEDEP. Tsy mendrika ny firenentsika intsony ny fanaovana haza-lambo izay rehetra tsy mitovy hevitra amin'ny mpitondra, hoy izy ireo. Momba ny raharaham-pirenena, nohamafisina fa tohanan'ny FEDEP amin'ny heriny rehetra ny fijoroan'ireo olobe ao anatin'ny vovonana mpanelanelana tarihin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine sy ny FFKM izay miantso dinika an-databatra boribory ho fitadiavam-bahaolana manoloana ny krizy lalina misy eto amin'ny firenena. Nomelohin’izy ireo ny fikasana hanao herisetra sy hamono ireo Ray aman-dReny mitady vahaolana na iza izy na iza mikasa hanao izany. Notsipihina hatrany fa tsy vahaolana hitondra fitoniana ny nisisihana nampanao fifidianana amboletra mifono hala-bato sy hosoka ary tsy fanarahan-dalána, tsy nialohavan'ny fikaonandoham-pirenena ka tsy ekena ny vokany. Niantso ny vahoaka hijoro hanohy ny tolona efa natomboka ho fametrahana ny tany tan-dalana sy ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena ary ny fahamarinana teo ambany fitarihan'ny Collectif des candidats C11 sy ny vahoaka Malagasy », hoy hatrany ny FEDEP. « Hanohy ny tolona izahay ary hijoro hatramin’ny farany amin’izany tolom-bahoaka izany na higadranay sy hamoizanay ny ainay aza. Efa mivondrona ny herivelona rehetra ary ho hitanareo miandalana eo ny tolona ataon’ny Malagasy. Na mafy tahaka ny inona aza izao fitondrana izao, dia tsy maintsy eny an-databatra boribory no iafaran’izao, ary io no vahaolana. Lany tamin’ny fifidianana halatra izao fitondrana izao dia mieritreritra fa hilamina, ka tena hampikorontana ny fiziriziriana », hoy hatrany i Henri Rakotomalala.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT