Politique

Maminiaina Ravatomanga Napetraka ho Kaonsilàn’i Côte d’Ivoire eto


  • Alakamisy 03 Aogositra 2023

Noraisin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Raharaham-bahiny Rtoa Yvette Sylla ireo delegasionina Ivorianina notarihin’ny Masoivohony Sakaria Koné ny alatsinainy teo.

Fihaonana izay nentina nampahafantarana ny maha “Consul honoraire”-n’I Côte d’Ivoire an’Atoa Maminiaina Ravatomanga, mpandraharaha Malagasy isan’ny mpanefoefo eto Madagasikara. Fotoana io nentina nanamafisana ny fahavononan’ny firenena roa tonta hiara-hiasa, hoy ny tatitra. Nambara fa dingana manan-danja mba hampiroboroboana ny fiaraha-miasa hisian’ny tombotsoa iraisana ity fanendrena ny Kaonsilà vaovao ity, ary hijerena sy hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-stratejika. “Tamin-kafaliana sy voninahitra no nanekeko, ho voatendry ho “Consul Honoraire”-n’i Côte d’Ivoire eto Madagasikara. Vonona tanteraka aho hanampy ny Fitondram-panjakana Malagasy sy ny Fitondram-panjakan’i Côte d’Ivoire, hanamafy hatrany ny fifandraisana ara-pirahalahiana eo amin’ny roa tonta amin’ny lafiny maro, indridra eo amin’ny fifandraisana ara-ekonomika. Mankasitraka an’Andriamatoa Filoha Alassane Ouattara sy Andriamatoa Ambasadaoro Sakaria Kone amin’ny fahatokisany”, hoy Atoa Maminiaina Ravatomanga tao amin’ny pejin-tseraserany. Tsara moa no mampahatsiahy fa efa avy Kaonsilàn’I Serbie io mpandraharaha mpanefoefo io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT