Malalaniaina Andrianarifera

> Misy ny fanantenana


  • Talata 07 Janoary 2014


 

Amin’ny maha Zanak’i Dada sy kandida solombavambahoaka natolotry ny MAMIMI, avy amin’ny Taratr’i Madagasikara nanohana ny kandidà  Robinson Jean Louis tamin’ny fifidianana filoham-pirenena teo, dia naneho ny heviny manoloana ny
fanapahan-kevitry ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana momba ny fanovana ny lehibe mpitarika ny ankolafy Ravalomanana eto Madagasikara Atoa Andrianarifera Malalaniaina. Aminy dia efa ela no tokony ho noraisina iny fanapahan-kevitra iny satria nanjary nisy fiantraikany tamin’ny vokatra azon’ny ankolafy  ny fahataran’ilay fandraisana fanapahan-kevitra. Amin’izao fanapahan-kevitra vaovao noraisina izao dia nambaran’Atoa Andrianarifera Malalaniaina fa misy ny fanantenana fa miankina amin’ny fahaiza-mandamina ataon’ny mpitarika izany. Momba ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI-T kosa dia nambarany fa “tsy azo lazaina fa safidin’ny Malagasy iny fa safidin-dry zareo sy izay nandany azy ka dia miandry ny fahendren’ny CES mba hijery mahitsy ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana marina”. Mikasika ny fifidianana solombavambahoaka izay nirotsahan’Atoa Malalaniaina tao Toamasina voalohany kosa indray, dia nambarany fa betsaka ny zavatra  hita tsy manara-dalàna saingy nanapa-kevitra ny tsy hitory any amin’ny CES izy fa efa nametraka kosa ny fitoriany any amin’i Jesosy. Hoy indrindra izy manao hoe : “Ny vahoaka dia Andriamanitra ary amin’ny farany dia tsy maintsy hivoaka foana ny marina”, ka miantso ny vahoaka ho tony izy.

Fanja


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT