Malalaka ny hetsika an-dalambe

sy filanjana sora-baventy


  • Alakamisy 25 Septambra 2025

Efa nanome ohatra teny Behoririka sy Petite Vitesse ny Fanjakana…

Raikitra ny fanetsehana andian’olona nataon’ny fitondrana omaly teny amin’ny Faritra Petite Vitesse sy Behoririka. Nampilanjaina sorabaventy milaza hoe : « Tsena Behoririka, tsy mila korontana, avelao izahay hivarotra », « Izahay mpivarotra eto amin’ny Petite Vitesse dia tsy mila korontana sy ady politika. Aza elingelenina ny fitadiavanay ». Eny Ambohijatovo no fotoana nofaritana hanaovana ny hetsika fanehoana fa leo delestazy ho an’ny anio, saingy ny any Petite Vitesse sy Behoririka no ampilanjaina sorabaventy milaza fa tsy mila korontana. Nilaza sorabaventy sy nanao fihetsiketsehana ireo, saingy tsy nisy emmo-reg nanakana, ka inona tokoa moa no olana sy sakana raha manao tahaka izany ihany koa ny vahoaka leo delestazy ? Samy sora-baventy no lanjaina sy arantiranty fa ny voasoratra ao anatiny no samihafa ka inona no tokony hanakanana ny vahoaka hilanja hoe : « Leo delestazy », «Leo tsy fisian-drano,... » raha tena mpitondra demokraty sy matoky tena. Ny zavatra niseho omaly, dia mbola vao mainka karazana fandranitana avy amin’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny mizana tsindrian’ila. Ny andaniny afaka manao hetsika an-kahalalahana tsy mila fangatahana, ary afaka nanohintohina ny fifamezivezena fa ny ankilany efa sokajiana sahady ho mpanakorontana sy mpandroba. Raha samy resaka fitadiavana, ny an’ireto olona hetsehin’ny Fanjakana ireto izany aseho fa sarotiny amin’ny fanelingelenana amin’ny fitadiaviany fa ny vahoaka maro potika fivelomana sy fihariana amin’ny delestazy tsy mampaninona ? Fampifandrafiana sy fanetsehana andian’olom-bitsy tahaka izao sisa no hitan’ny Fanjakana fa paikady entina miatrika ny krizy sosialy sy politika ? Moa tsy vao mainka mandrehitra afo!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT