Teny amin’ny lapan’ny tanàna no nilazan’ny masoivoho frantsay ny maha an’ity firenena ity ny «Iles Eparses». Rariny sy hitsiny raha ao amin’io lapan’ny kaominina Antananarivo sady renivohitr’i Madagasikara io no hamaliana azy ka hanaovana fanambarana miezinezina ny maha an’ny vahoaka Malagasy an’ireo Nosy manodidina miisa hatrany amin’ny 270 izay hiantsoana ny mpiray tanindrazana ho tonga maro eny Analakely anio sabotsy maraina, hoy ireo vondron’olona tia tanindrazana.
Vao mainka nampihetsika ny hambompon’ireto farany rahateo ny fanehoan-kevitry ny mpitondra fanjakana toa miezaka manadio tena eo anatrehan’ny vahoaka sy mandamina ny raharaha miaraka amin’ny fitondrana frantsay. Nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny ary nohamafisin’ny filohan’ny Repoblika mantsy fa hanimba indray ny fizotry ny fifampiraharahana efa sahanin’ny fitondram-panjakana Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny hetsika fiaraha-mientana fitakiana ara-dalàna sy ara-drariny ireo Nosy Malagasy nobodoina sy notrandrahan’ny firenena mpanjanaka efa ho 36 taona izao. Efa nampahafantatra ity fikasana ity tamin’ny ben’ny tanàna moa ny mpikarakara ny hetsika saingy ny fanjakana foibe no tompon’ny teny farany ka eny an-toerana isika mahita azy, araka ny fomba fiteny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.