Malagasy nitana andraikitra iraisam-pirenena

Tena azo atao « arme de lobbying », hoy i Herivelona R.


  • Talata 18 Febroary 2025

Naneho hevitra momba ny fandraisantsika anjara tamin’ny fifidianana Filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona

Afrikanina Atoa Herivelona Ramanantsoa, Minisitry ny fanajariana ny tany tamin'ny fitondrana Didier Ratsiraka. (…) Tsy fanakianana be fahatany fa raiso ho toy ny soson-kevitra, hoy izy. Nitodika mivantana amin’ireo Iraka nampanaovina (nialoha lalana) ny « travaux de lobbying » na ny asa fandresen-dahatra : anisan’ny fitaovana lehibe amin’ny « lobbying » ny fampahatsiahivana ireo teratany malagasy izay efa nitana andraikitra ambony teo amin’ny fikambanana iraisam-pirenena ka nampirehareha sy nampalaza an’i Madagasikara, hoy i Herivelona Ramanantsoa. Noraisiny ho ohatra ny varotra fiarakodia, ny lazan’ny marika no ampiasaina hanintonana mpividy. Toy izany koa amin’ny fifidianana iraisam-pirenena, mila entina hanamafisana ny maha-mendrika ny kandidà malagasy ireo zava-bita tamin’ny lasa. Raha firenena hafa no nanolotra kandidà, dia nampahatsiahiviny mazava tsara ireo olona mendrika avy amin’ny fireneny. Ohatra, Sénégal dia nanonona an’i Amadou-Mathar M’Bow (Tale Jeneralin’ny UNESCO) sy Jacques Diouf (Tale Jeneralin’ny FAO). Ghana dia mety hanonona an’i Kofi Annan (Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana). Nambarany fa tsy dia fantatra firy nefa misy Malagasy maro efa nahavita be tamin’ny sehatra iraisam-pirenena izay tena zava-dehibe toa an’i : Jules Razafimbahiny: Sekretera Jeneralin’ny OAMCE, fikambanana nitarika ny famoronana ny OUA (Union Africaine ankehitriny); Blaise Rabetafika: Filohan’ny Filankevitry ny Fiarovana tao amin’ny ONU (1981-1986) ;Armand Razafindrabe: « Directeur Exécutif chargé de la reconstruction et du développement auprès de la Banque Mondiale » tao amin’ny Banky Iraisam-pirenena (1977) ; Maurice Rajaofetra: Tale Jeneralin’ny ASECNA (Afrika) ; Raymond Ranjeva: Tale Jeneraly Lefitry ny Cour Internationale de Justice,… Ny fampahatsiahivana an’ireny fahombiazana ireny amin’ny fifaninana ho amin’ny toerana ambony iraisam-pirenena, dia manaporofo fa mahafehy tsara ny fitantanana fikambanana iraisam-pirenena ny Malagasy, ka ilaina hampiasaina ho "arme de lobbying" amin’ny ho avy, hoy i Herivelona Ramanantsoa.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT