Amin’ny maha fikambanana mitsinjo ny firaisam-pirenena azy dia mitaona ny rehetra hifidy ny fikambanana Malagasy Miray. Tsy hifidy fe hifidy fotsiny anefa fa mba handany ny kandida Dr Robinson Jean Louis ho filoham-pirenena mihitsy. Tsapan’izy ireo mantsy fa niteraka fizarazarana be teto amin’ny firenena izao Tetezamita izao ka antenainy fa hanasitrana izany ny Dokotera, izay nomen’ny filoha Marc Ravalomanana fahefana rahateo. Manentana ny rehetra hitsinjo ny hoavy amin’ny alalan’ny fifidianana ny kandida Dr Robinson Jean Louis ny filohan’ny fikambanana Ramanantsoa Georges satria io ihany, araka ny nambarany, no afaka hanavotra ny firenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.