Politique

Malagasy mifanampy sy miroso Hitondra ny anjara birikiny ireo artista


  • Alatsinainy 14 Aogositra 2023

Tazana nandritra ny hetsika nataon’ny kandida Tahina Razafinjoelina tany Fianarantsoa sy Antsirabe ny artista

maromaro toa an-dry Ambondrona, Oladad, Mahaleo, Majeur 7 Kobaha, Mami Bastah, Rija Ramanantoanina. I Tahina no hitanay fa hany kandida ho filoham-pirenena manana vina mifanojo amin’ny zavatra noresahanay an-kira tao anatin’ny 51 tao hoy i Dama Mahalaeo. Mpinamana efa hatramin’ny taona 2004 tany ho any izahay sy i Tahina , ary olona tena tsotra sy tia manampy naman izy ka tsy misalasala raha misy azony atao.Olona tena tsotra tsy manasaro-javatra fa tonga dia mikroka vahaolana raha misy ny olana. Matoa aho tonga eto dia resy lahatra izany fa hahavita zavatra tsara sy hanasoa ny Malagasy i Tahina, hoy i Rija Ramanantoanina. Tahaka izay ihany ny faharesen-dahatry ry Oladad, anisan’ireo tarika manana ny maha izy azy eto Madagasikara, tena mifanojo ny eritreritra sy ny fomba fijery , hoy izy ireo ka izany no mahatonga anay hiara-dia amin’i Tahina Razafinjoelina. Ny Dama Mahaleo moa no nanoratra ary nanome maimaimpoa ny hira : « Avia Mandrosoa » ho fampitana amin’ny mpiray tanindrazana ireo vina sy hafatra ka miaraka mivazo aminy ao anatin’izany ry Oladad sy Ambondrona.
RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT