Politique

Malagasy miara-miainga “Tsy ara-dalàna ny fifanarahan’ny CENI sy FIVMPAMA”


  • Zoma 04 Novambra 2022

Nohitsian’ny eo anivon’ny birao politikan’ny antoko politika Malagasy miara-miainga, tamin’ny alalan’ny Maitre Rakotomalala Rija, fa nisehoana fihoaram-pefy ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana.

Tsy ara-dalàna ny fifanarahan’ny CENI sy ny eo anivon’ny Fivondronan’ny mpandraharaha na FIVMPAMA amin’ny fandefasana mpanisa mpifidy eny anivon’ny orinasa ho an’ny sehatra tsy miankina , hoy izy, tetsy Analakely omaly. Mazava ny voalazan’ny lalàna amin’ny famerana ny fanisana mpifidy ho eny anivon’ny fokontany na ao amin’ny tokantrano ihany. Tokony hiarahana hatrany amin’ny vaomiera mpanisa mpifidy eny ifotony na CLRE ahitana ny solontenan’ny fokontany, mahalala ny mponina sy ny tena mpifidy eo aminy izany fa tsy izao fomba fiasa izao. Tsara ilay finiavana saingy tokony hanaraka ny lalàna hatrany isika amin’izao fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izao. Antso fanairana ny CENI izao atao izao mba hisorohana ny ahiahy. Tsy ho tratra ara-potoana ny hetsika fanavaozana ny lisi-pifidianana. Maherin’ny 8% ny hany vita tao anatin’ny iray volana. Tokony hifarana ny volana desambra izany. Tombanana tsy hihoatra ny 24% izany amin’io fotoana io, raha izao hafainganam-pandehan’ny CENI izao. Takian’ny MMM ny hitsirihana sy hanaovana fanadihadiana mahaleo tena momba ilay rindrambaikon’ny Ceni na « Logiciel» efa lany daty kasaina mbola hampiasaina amin’ny fifidianana ho avy eo, hoy hatrany ny fanazavana voaray omaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT