Politique

Malagasy miara-miainga « Tokony ho tontosaina amin’ity ny fifidianana kaominaly »


  • Talata 07 Martsa 2023

Nampahatsiahy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM fa ny 14 aogositra 2019

ity praiminisitra ity sy ny governemantany tamin’izany nandritry ny filankevitry ny governemanta tamin’io fotoana io fa hatao ny 27 novambra 2019 ny fifidianana kaominaly. Ny governemanta malagasy tamin’ny alalan’ny toekarena sy famatsiam-bola ary ny CENI no namatsy ny 83,2%n’izany fifidianana izany, hoy ity antoko ity. Ny basket fund, izay tetikasan’ny SACEM ao amin’ny PNUD kosa no namatsy ny 16,8% izay mitentina 35 miliara Ariary. Ny 23 febroary 2023, ny filoha lefitry ny CENI dia niaiky teo imason’ireo haino aman-jery fa tokony ho tontosaina amin’ity taona ity ny fifidianana kaominaly. Efa natao izany raha ampy ny fepetra rehetra raha ny fanamarihany. Ny andininy faha 240 ao amin’ny lalana 2014-020 dia maneho fa ny ben’ny tanana sy ireo tomponandraikitra eny ifotony dia natao ho fidiam-bahoaka anatina fe-potoam-piasana mandritry ny 4 taona. Ny fifidianana filohan’ny repoblika, depiote, loholona ihany no tokony ho tanterahana amina daty samihafa, hoy ny andininy faha 51 ao amin’ny lalana 2018-008. Tokony atao amin’ity, noho izany, ny fifidianana kaominaly. Tsy izay anefa no misy satria ny lalana mifehy ny tetibola ankehitriny dia tsy mamaritra afa-tsy ny fifidianana filoham-pirenena. Satria ny andininy faha 65 ao amin’ny lalampanorenana manome fahefana ny lehiben’ny governemanta amin’ireo mpikamban’ny governemantany sy ireo sampan-draharaha mikasika izany dia miantso anareo izahay hanao izay hahatomombana ny famatsiana rehetra hahatontosa ny fifidianana kaominaly amin’ity 2023 ity, hoy hatrany ny MMM.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT