Politique

Malagasy miara-miainga «Sahirana daholo izay distrika notsidihina»


  • Talata 27 Jona 2023

Tsy mijery izay mahasoa ny vahoaka ny mpitantana eto amin’ny firenena ary tsy mahay mametraka ny laharam-pahamehana,

antony mahatonga ny firenena latsaka an-katerana amin’izao hoy ireo mponina tao Taolagnaro, faritra Anôsy nanatrika ny fivoriana sy famelabelaran-kevitra niarahana tamin’ny filohan’ny antoko politika Malagasy Miara-Miainga na MMM, Hajo Andrianainarivelo, raha ny tati-baovaon’ity antoko ity ny faran’ny herinandro teo. Porofon’izany ny tsy fahavitan’ny lalam-pirenena faha 13 mandrak’androany na teo aza ny fampanantenan’ny filoham-pirenena, hoy ny tatitra. Distrika manana harena an-kibon’ny tany, manana toeram-pambolena amana hektara, afaka mamokatra ary ampy orana, eo ihany koa ny harena eo amin’ny olombelona izay afaka miasa ny distrikan’i Taolagnaro, Renivohitry ny faritra Anôsy. Tsy arak’izay anefa ny fampandrosoana noho ny faharatsian’ny lalampirenena faha 13 izay atao 3 hatramin’ny herinandro raha hihazo an’Antananarivo. Eo ihany koa ny tsy fipetrahan’ny fitsinjaram-pahefana, mahatonga ny vahoaka miaina anatin’ny fahasahiranana. Nivoitra tamin’ny fandraisam-pitenenan’ireo mponina fa maro ny olana iainan’izy ireo amin’ny andavanandro. Nahavelom-bolo ny vahoaka ny hoe, tsy hanao politika intsony raha tsy vita ny lalam-pirenena faha-13. Lalana, izay hatramin’ny androany, hatreo Ambovombe ihany no mbola voakitika, 3 volana tsy hialan’ny filoha amin’ny toerany. Lalana izay azo atao ny nanamboatra azy raha manam-piniavana hampandroso ny mpitondra ary mahay mitantana. Teto sy tamin’ireo distrika nolalovana sy nihaonana tamin’ny vahoaka toy ny tao Ihosy, Betroka, Isoanala, Bekily, Ambovombe, Amboasary Atsimo dia nivoitra fa anatin’ny fahasahiranana ny vahoaka malagasy vokatry ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra ka mitaky fanovana, amin’ny alalan’ny fifidianana madio sy mangarahara ary ho vokatra eken’ny rehetra amin’ity taona ity, hoy hatrany ny MMM, nanamafy fa sahirana daholo izay distrika notsidihina.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT