Politique

Malagasy miara-miainga «Ny fifidianana no tokony atao izay hampadio azy»


  • Alatsinainy 22 Mey 2023

Tsy ilaina ny tetezamita, hoy ny filoha nasionalin'ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM,

Hajo Andrianainarivelo, omaly nandritry ny fivoriana narahana adihevitra niarahan'ny MMM sy ireo vahoaka tany Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro. Ny fifidianana no tokony atao izay hampadio azy, hoy izy, ahafahan'izay filoha vaovao mampandroso ny firenena. Isan'ny fanontaniana niverimberina napetrak'ireo vahoakan'Ambatondrazaka, renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro nandritry ny fivoriana narahina adihevitra niarahana tamin'ny MMM ny momba izay mety ho firosoana amin'ny fitondrana tetezamita izay. Ambatondrazaka izay fantatra amin'ny famokarana vary saingy tsy mitsaha-mihena ny vokatra, hoy ireo tantsaha noho ny tsy fijeren'ny mpitondra ny foto-drafitr'asa. Raha mipetraka ny fitsinjaram-pahefana, apetraka amin'ny toerany sy omena fahatokisana ny olona eny ifotony, olana maro no voavaha tsy hiandrasana ny fanjakana foibe, hoy ihany ny filoha nasionalin'ny MMM. Fotoana izay nihainoan'ny filoha nasionalin'ny MMM ny maharary ny vahoaka, sy niarahana nitady vahaolana momba ny fampananan'asa ny tanora, ny sehatry ny fampianarana, ny tsy fahampian'ny fotodrafitr'asa eo amin'ny sehatry ny fambolena, ny olana eo amin'ny lalam-barotra, ny vidim-bokatra tsy mifanaraka amin'ny masokarena lanin'ny tantsaha sy ny maro hafa moa ity fotoana ity, raha ny fampitam-baovao. Fotoana ihany koa nanentanan'ny antoko ny olompirenena hanaraka akaiky ny zotram-pifidianana, hanoratra sy hanamarina ny anarana ao antin'ny lisi-pifidianana, raha ny tatitra voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT