Politique

Malagasy miara-miainga Niantso ireo manan-kevitra hamonjena ny firenena


  • Alakamisy 22 Jona 2023

Taorian’ny distrikan’Ihosy, renivohitry ny faritra Ihorombe, nanohy ny diany nihazo ny faritra Anosy ny delegesiona notarihin’ny filoha nasionalin’ny antoko politika Malagasy Miara-Miainga na MMM, Hajo Andrianainarivelo.

Nisy ny fihaonana tamin’ireo mpitarika sy mpikambana eo anivon’ny antoko entina hampiroboroboana sy hanitarana hatrany ny habaindain’ny antoko ety ifotony. Isan’ireo nitafa mivantana tamin’ny filoha nasionalin’ny antoko, araka izany, ny tao amin’ny distrikan’i Betroka, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nihaino ny filohan’ny antoko ary nifampizara tamin’izy ireo ny zava-misy eto amin’ny tany sy ny firenena amin’izao. Teo ihany koa ny fampahatsiahivana ny vina sy ny fotokevitry ny antoko. Tsy hisy fampandrosoana ho vanona raha tsy apetraka sy mihatra araka ny tokony ho izy ny fitsinjaram-pahefana, hoy ny filohan’ny MMM, ary eo anivon’ny antoko dia efa misy ny fampiharana izany hatramin’ny nijoroany. Tsy latsa-danja amin’izany ny fitsinjaram-pahefana entina hitantanana ny firenena. Ilaina ny fanatevenana ny fahaiza-manaon’ireo tomponandraikitra eny ifotony, manomboka amin’ny sefo fokontany. Omena ny andraikitra izy ireo ary arahina fampitaovana sy hoenti-manana mifanaraka aminy hisian’ny fampandrosoana. Taorian’ny tao Betroka, nihazo ny kaominina Isoanala ny delegasiona nihaona tamin’ireo mpikatroky ny antoko. Nandray andraikitra tamin’ny fanaraha-maso sy ny fanentanana ny olona hisoratra sy hanamarina ny anarany tao anatin’ny lisi-pifidianana ireo mpikamban’ny antoko. Hitohy ny fitsidihan’ireo mpikamban’ny antoko, hoy ny birao politikan’ny MMM. Tsy ho adino ihany koa ny fihaonana amin’ireo vahoaka liana amin’ny fotokevitry ny antoko sy ireo manana hevitra sy fomba fijery entina manavotra ny taninjanaka izay latsaka an-katerena ankehitriny, hoy hatrany ny MMM, niantso ireo manan-kevitra hamonjena ny firenena.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT