Politique

Malagasy miara-miainga Nanamafy fa tsy hanohana intsony ny fitondrana


  • Alatsinainy 21 Novambra 2022

Nandritra ny fikaonandoham-paritry ny antoko politika Malagasy Miara-Miainga na MMM teto Analamanga dia nisy ny tsao-kevitra vitsivitsy nosintomina avy tamin'ny fanehoan-kevitry ny mpikambana,

hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Namafisina hatrany fa matoa ny MMM nanapa-kevitra ny hiala tao anatin'ny governemanta dia tsy manana eritreritra ny hiara-hiasa sy hanohana ny fitondrana misy ankehitriny intsony. Tsikaritra fa maro ireo lesoka ao anatin'ny fanavaozana tanteraka ny lisim-pifidianana izay karakarain'ny CENI. Noho izany dia tsy mitazam-potsiny ny antoko fa manolotra soso-kevitra maro mba ahafahana mikarakara fifidianana maoderina, mifanaraka amin'ny vanim-potoana iainantsika, entina hanamafisana orina ny demokrasia eto Madagasikara. Isan'ireo hevitra hatolotry ny antoko amin'ny CENI, ohatra, ny fampiasana ny lisim-pifidianana misy ny sarin'ny mpifidy tsirairay mba ho mora fantatra sy tsirihan'ny mpiara-monina ka ho fifidianana eken'ny rehetra no atao. Ny firoboroboan'ny teknolojia rahateo dia manamora ny fanatanterahana izany. Velona ny antoko MMM ary vonona hatrany ireo mpikambana handray anjara amin'ny fifidianana rehetra ho avy, toy ny efa nataon'ny antoko hatramin'izay. Hamarana ny fikaonandoham-paritra rehetra ny faritra Ihorombe ary aorian'izay dia miroso mankany amin'ny fikarakarana ny kaongresy nasionalin’ny antoko, fotoana izay hanapahana ireo hevi-dehibe rehetra tokony ho tapahana manoloana ny raharaham-pirenena, hoy hatrany ny MMM.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT