Malagasy miara-miainga

Misokatra amin’ny famondronana hery


  • Alakamisy 11 Jolay 2024

Handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny

tanàna ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM amin’ny maha antoko velona sy mandàla ny fitsinjaram-pahefana azy, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Mitohy ny fitakiana ny hanatsarana ny tokontanim-pifidianana, raha ny fanazavana, hivoahan’ny safidim-bahoaka. Ankoatra izay, mijanona ho antoko mpanohitra ny MMM ary misokatra amin’ny fifampiresahana raha hisy ny famondronana hery. Araka ny nambaran’ny mpikambana eo anivon’ny birao politikan’ny MMM omaly tamin’ny alalan’ny Me Ramilison Toky dia manohy ary manamafy ny fitakiana ny hanadiovana ny tokontanim-pifidianana ny eo anivon’ny antoko hivoahan’ny tena safidim-bahoaka ka ho afaka hampandroso ny fari-piadidiana izay olona lany eo. Ankoatra izay, vonona amin’ny fifampiresahana ary misokatra amin’ny herivelona rehetra ny Antoko MMM. Mitaky hatrany ny fanarahan-dalànan’ireo nampindramina ny fahefana ny antoko manoloana ny toe-java-misy ankehitriny. Eo ihany koa ny fanajana ny fisaraham-pahefana araka ny voarakitra ao anatin’ny lalàm-panorenana, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT