Politique

Malagasy miara-miainga Miandry ny valin’ny fitsirihana natao tamin’ny CENI


  • Zoma 18 Aogositra 2023

Tsy mitombina intsony ny fitoriana napetraky ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM mikasika ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny CENI

nandritry ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, hoy ny eo anivon’ny fitsarana omaly, raha nampiantso fanindroany ny mpitory sy izay toriana. Ny CENI izay tsy nahatonga solontena fa nijanona teo amin’ny fandefasana taratasy. Ny faran’ny volana septambra 2022 lasa teo, talohan’ny fanombohana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana no efa nametraka fitoriana ny teo anivon’ny MMM. Tamin’ny antso faharoa mikasika ilay fitoriana omaly, nametraka valiny ny CENI raha toa ka tsy nipoitra tamin’ny fiantsoan’ny fitsarana voalohany. Raha io taratasy napetraky ny CENI teny amin’ny fitsarana io, niaiky ity farany fa tsy nanara-dalàna ilay naoty navoakany ka nanome fahefana ireo «Agents recenseurs» hanatanteraka ny fanavaozana ny lisitra. Anjara andraikitra izay tokony ho ny “Comité locale de recensement” na komity ifotony momba ny fanisana ihany no manatanteraka azy. Raha ny vokatry ny fitsarana, tsy mitombina intsony ny fitoriana nataon’ny antoko, amin’izao fanomanana ny fivoahan’ny lisitra amin’ny fomba ofisialy izao. Tsiahivina hatrany, ny hananana fifidianana madio sy mangaraharaha ary eken’ny rehetra no tanjona ka antony ary tsy maintsy hanajana ireo rehetra voalazan’ny lalàna mikasika ny fanomanana sy ny fiatrehana fifidianana. Tanjona ihany koa ny hananana fifidianana madio andraisan’ny rehetra anjara, hoy hatrany ny MMM. Raha ny tokony ho izy, hoy ny mpitondra tenin’ity antoko ity, Maître Rija Rakotomalala, dia niteny ny fitsarana fa mitombina ny fitorian’ny MMM tamin’ilay fotoana tsy namalian’ny CENI ny fiantsoana azy kanjo nahemotra ilay raharaha dia izao indray vao novalian’ny fitsarana. Anio (TTF: omaly) vao azonay mpisolovavan’ny MMM ny valin’ny taratasinay napetraky ny CENI. Miandry ny valin’ny fitsirihana na “audit” nataon’ny fitsarana tamin’ny CENI izahay na dia efa nofaranana aza ny fanisana mpifidy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT