Malagasy any ivelany manohitra ny jadona

“Takiana ny fanoloana ireo mpikamban’ny HCC”


  • Alatsinainy 18 Septambra 2023

Nanao fanambarana iombonana ny sabotsy teo ny Fivondronamben’ny malagasy manohitra ny jadona ao Eoropa, izay ahitana ny RMDM Diaspora,

Firaisankinan’ny Tia tanindrazana na FTT, antoko politika Anjomara sy rivo-baovao na ARB, antoko politika Tiako i Madagasikara na TIM, Malagasy miara-miainga na MMM, vovonana politika sy fikambanana ary antoko politika maro mitotaly 12 isa fa mampivarahontsana ny fivoaran’ny toe-draharaha mifandraika amin’ny fampiharana lalàna sy ny politika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Melohinay tanteraka, hoy izy ireo, ny fanapahan-kevitry ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC izay manaiky ny firotsahan’ny filoham-pirenena farany teo Andry Rajoelina amin’ny fifidianana atao ny 9 novambra izao indray. Nodinganin’ny HCC ihany koa ny andininy faha 67 amin’ny sata mifehy ny zom-pirenena malagasy, izay manery azy hanome ny antotan-taratasy mifandraika amin’izany ho dinihin’ny tribonaly miadidy izany na “tribunal de première instance” eto Antananarivo. Tribonaly, hany tokana mahefa hitsara momba ity raharaha mahakasika zom-pirenena ity. Melohinay marindrano koa ny fanapahan-kevitry ny HCC izay nanaiky ny taratasy fandavan’ny filohan’ny antenimieran-doholona ny toerana maha filoham-pirenena mpisolo toerana. Miendrika fanonganam-panjakana anaty na fanonganana andrim-panjakana niraisan’ny praiminisitra sy HCC tsikombakomba izany. Melohinay toy izany koa ny fanomezana ny governemanta hiaraka hitantana ny firenena ho takalon’izany. Takiana ny fanoloana ireo mpikambana miisa 9 eo anivon’ny HCC, noho izany, satria notendrena hiaro toy ny anak’andriamaso ny lalàmpanorenana izy ireo saingy nanolana izany tamin’ny fomba maha menatra, hoy hatrany ny Fivondronamben’ny malagasy manohitra ny jadona ao am-pitan-dranomasina ao.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT