Tsy hipetra-potsiny ireo teratany Malagasy mila ravinahitra any Frantsa. Mitaky tsy misy hatak`andro ny fialan`ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Manameloka tanteraka ny famonoana sy fandratrana olona izy ireo.
Tsy mankasitraka velively ny fampiasana hery diso tafahoatra nataon`ireto miaramila natao hitandro ny filaminana kanefa indrisy nanampatra ny fahefana sy fitaovam-piadiana teo aminy kanefa tokony hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Tsy ekena ny fanapenam-bava sy teritery ary ny ramatahora ataon'ny fitondrana amin'ny mpanao gazety. Tsy misy intsony ny fitiavan-tanindrazana fa manjaka ny kolikoly avo lenta ataon`ny fanjakana. Manohana hatrany ny tolona izay notarihan`ireo solombavambahoaka nitsipaka ireo volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana sy ny vahoaka Malagasy ary mbola manameloka ny famoretana ataon`ny fitondrana izay mety hamotika ny Firenena izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.