Maître Noro

> Nitsinjo ireo sahirana teny Ankasina


  • Sabotsy 14 Desambra 2013


Nidina ifotony nitafa sy nifanakalo hevitra tamin’ireo mponina ao amin’ny Fokontanin’Ankasina omaly zoma 13 desambra 2013 ny kandida solombavambahoakan’ny Vondrona Tia Tanindrazana ao amin’ny Boriborintany voalohany, maître Rabemananjara Lalaharinoro na Maître Noro, araka ny fahafantaran’ny besinimaro azy. Nandritra io fotoana io ihany koa no nizarany fanampiana ireo olona tena sahirana ao amin’ity Fokontany ity ka nizarany akanjo sy savony ho azy ireo. Nambarany nandritra io fihaonany tamin’ny vahoaka io fa vonona ny tenany amin’ny andraikitra goavana miandry eny anivon’ny Antenimieram-pirenena. Nohamafisiny fa hisolotena ny vahoaka izy ka tena ho mpanelanelana marina eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra. Ny hetahetam-bahoaka no avadika ho lalàna, hoy ity kandidan’ny VTT laharana faha-25 ity ary homen-danja ny Soatoavina Malagasy. Anisan’ny tena iadian’ny maître Noro eny Tsimbazaza, araka ny fanazavana nentiny ny hanao tolo-dalàna mazava mba tsy ahafahan’ny mpitondra sy ireo mpanao politika manodina izay ho amin’ny tombontsoa manokana ho azy ireo.

 

Ramano F. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT