Maître Hanitra sy depiote Jacques

> Nidina ifotony nifampikasoka tamin’ny vahoaka


  • Alatsinainy 25 Novambra 2013

Nidina ifotony nijery ny zava-misy iainan’ny mponina andavanandro ireo kandidan’ny ankolafy Ravalomanana ao amin’ny Boriborintany voalohany izay hifaninana amin’ny fifidianana solombavambahoaka hotanterahana ny zoma 20 desambra 2013 ho avy izao.

Nofidian’ny Maître Razafimanantsoa Hanitra sy depiote Razafimbelo Jacques Harinosy mpiray lisitra aminy manokana ny teny amin’ny tsenan’Ambodin’Isotry sy ny manodidina ny sabotsy 23 novambra 2013 lasa teo mba hifampikasohana mivantana amin’ny vahoaka ka nitafatafana sy nifampiresahana tamin’ireo mpivarotra sy mpiantsena izay nifanaretsaka tokoa teny an-toerana tamin’io faran’ny herinandro io amin’ny maha tsenan’ny andro sabotsy azy. Araka ny fanazavana nomen’ny kandida lohalisitra Razafimanantsoa Hanitra nandritra ity fihaonana tamin’ireo olom-pirenena marobe nanararaotra ny andro tsy fiasana teny ifotony ity dia ilaina ny fanokanana fotoana tahaka izao hahafantarana misimisy kokoa ny sosialin’ny mpiara-belona, indrindra ny eo anivon’ny Boriborintany voalohany izay anisan’ny be mponina tokoa. Araka ny antontan’isa dia maro rahateo ireo Malagasy amin’ity faritra iva ity no tena miaina ao anatin’ny fahasahiranana ka mila jerena akaiky ny mahakasika izay satria mazàna dia zary lasa fitaovana fotsiny izy ireo, indrindra ao anatin’ny vanim-potoana tahaka izao, hoy ny fanampim-panazavany. Ny fahitana ny fiainan’ny mponina mandavanandro mantsy no ahafahana manampy azy ireo hiala amin’ny fahantrana izay mianjady aminy ary izay indrindra no anjara andraikitra goavana takiana amin’ny solombavambahoaka.

 

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT