Nisafidy ny hanohana ny Dr Robinson Jean Louis amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa ny Maitre Rakotoarijaona Avoko, ary nanome toky fa hampandany azy sy hiaro ifotony ny vato ho azon’ny kandida laharana faha-33.
Nilaza ny Me Avoko fa tena ilaina mandrakariva ny mivonona amin’ny mety hisian’ny fanodikodinana ny voka-pifidianana ka izany indrindra no efa nanomezany toromarika ireo mpiara-dia aminy rehetra, ny amin’ny fanaraha-maso tsy maintsy atao. Azo ambara ho lojika politika ihany moa izao satria manohana ny Dr Robinson Jean Louis Atoa Sylvain Rabetsaroana izay notohan’ny Maitre Avoko tany amin’ny fihodinana voalohany. Manantena ny Maitre Avoko fa hirindra sy hilamina amin’izay nyfiainam-pirenena manomboka amin’io 2014 io rehefa ny Dr Robinson Jean Louis no hitondra ny tany sy ny fanjakana, efa nanambara mazava mantsy ity kandida ity fa hampandroso tanteraka an’i Madagasikara ary tsy hanao valifaty politika. Ny olona toy izany no tena mendrika hotohanana, hoy hatrany ny Maitre Avoko.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.