Maire Toky Rakotondrazaka

Tsy namelana raha tsy tapitra ny ainy...


  • Alatsinainy 18 Aogositra 2025

Nodimandry tampoka ntamin'ny fomba tsy mazava ny marainan'ny sabotsy 16 aogositra 2025

teo ny Ben'ny tanànan'ny kaominina Talatan'i Volonondry Rakotondrazaka Toky Niaina Mampionina, izay lany tamin'ny anaran'ny TIM. Tanora vao 38 taona monja, nanana vina sy nitondra rivo-baovao ho an'ny kaominina iadidiany sy notombanana hanana ho avy mamiratra amin'ny politika, saingy lavo tamin'ny fomba hafahafa, izay heverina fa ankasomparana politika.
TSY NARARY TSY NAROFY KANEFA...
Ny maraina dia mbola niaraka tamin’ny vadiny izy, ary ny atoandro kosa nilaza fa hamonjy fanasana ka nalefany nody ny vadiny. Ny hariva indray nilaza tamin’ny vadiny izy fa hiaraka amin’ny namana, ary tafody soa aman-tsara tao an-trano. "Tsy narary, tsy naninona izy omaly, mbola nandeha namangy olona izahay. Avy eo izy niteny fa mbola misy fanasana kely alehako, dia izay fotsiny no fantatro. Mbola nody tsara ny hariva, mbola olona normal tsara! Mbola niteny hoe hitondrana laoka ve ndry", hoy i Tsanta vadiny tetsy amin'ny HJRA. Efa ho diva haraina no ohatran'ny nihoakoaka nandoa tsy an-kijanona, mikofokofoka be. Narehitra ny jiro dia hita fa tsemboka be, dia nakany amin'ny polyclinique Ilafy, avy eo nalefan'io Hopitaly io teny amin'ny HJRA, hoy hatrany ny fanazavan'i Tsanta vadiny. Indrisy fa tsy tana ny ainy.
FAMONOANA ARA-POLITIKA? TSY NAMELANA RAHA TSY TAPITRA NY AINY... Raha tsiahivina, efa kandida Ben'ny tanana Rakotondrazaka Toky Niaina Mampionona talohan'ny fifidianana farany teo fa tsy lany, nanaja ny voka-pifidianana, nanaja ny demokrasia, namela ny lany hiasa,... Nirotsaka izy 5 taona taty aoriana ary lany soa aman-tsara, saingy tao anatin'ny sotasota sy hetraketraka hatramin'ny farany. Tsy namelana raha tsy tapitra ny ainy? Teo amin'ny fikarakirana voka-pifidianana, raha nandresy maza izy tamin'ny isam-baton'ny SRMV, dia natsimbadika ho resy izy teo amin'ny CENI. Nampiaka-peo ny vahoaka, naneho fa tsy hanaiky ny fanodinkodinana ny safidiny, hany ka niverina ho mpandresy sy lany soa aman-tsara rehefa nivoaka ny vokatra ofisialin'ny tribonaly misahana ny ady ifanaovana amin'ny Fanjakana. Nandray ny toerana maha Ben'ny tanana sy niasa, saingy ny mey 2025, nisy indray fitoriana napetraky ny kandida avy amin’ny IRMAR niady toerana tamin’i Toky Rakotondrazaka teny amin’ny Conseil d’État na ny Filankevi-panjakana. "Mirehareha fatratra i Hoby Randrianirina, kandidà IRMAR, fa raha tsy izy no Ben’ny Tanàna dia tsy maintsy hatao PDS no mitondra ny tanàna, ka esorina ny Ben’ny Tanàna voafidin’ny vahoaka.", hoy i Haingo Paradis Madagasikara izay isan'ny nanohana an'ity Ben'ny tanana ity na mpiandany amin'ny fitondrana aza. "Mosavy no nahafaty Ilay olona tsara fanahy Kely. (...) Tsy hitako izay lazaina , tsy avelanareo tsy Valahara raha tsy maty ny olo-marina e ??? tsy matahotra ny fitsaran'ny lanitra ianareo e ??? ", hoy ity farany. Misy ifandraisany amin'ny raharaha politika sy fifidianana no nahafaty ny Ben'ny tanana!? Tsy mazava, hoy ireo mpiray antoko aminy sy ny fianakaviany, ny nahatonga izao fahafatesana tampoka izao. Nambaran’ny Solombavambahoakan’Avaradrano Avotra Andriamosa fa nangataka hanaovana "autopsie" ny razana izy ireo, ary tsy hanaiky raha toa ka misy ambadika mampiahiahy izao fahafatesan’ ny Ben’ny Tanàna vao erotrerony izao.

TSY RARINY, ANKASOMPARANA...
Tonga nanotrona ny fianakaviana teny amin’ny HJRA io maraina io ireo mpikatroka ao amin’ny antoko TIM, ireo Ben’ny Tanàna namany, ary koa ny Filoha Nasionalin’ny antoko TIM Marc Ravalomanana sy ny Filohan’ny Antenimierandoholona Richard Ravalomanana ny marainan'ny sabotsy teo. "Politika ve no hamonoana olona ohatr'izao!? Tsy rariny! Ankasomparana,..." hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Efa maty masoandro no niala tetsy Ampefiloha ny razana. Ranomaso havozona, toreo, alahelo no nandraisan'ny vahoakan'i Talatan'i Volonondry ity Ben'ny tanànan'izy ireo izay lavo tanora ity. Ilay reharehan'ny tanàna, nandrandraina hitondra rivo-baovao,... no indrisy nandao tampoka! Andrasana ao amin'ny Lapan'ny tanànan'i Talata Volonondry ny nofo mangatsiatsiakan'Itompokolahy Rakotondrazaka Toky Niaina Mampionina, ka ny alarobia izao no hatao ny fandevenana azy. Manamafy ny fiaraha-miory sy fiombonana alahelo amin'ny fianankaviany manontolo sy ny vahoakan'i Talata Volonondry ary ny Antoko TIM isika eto amin'ny Tia Tanindrazana.

TENA MISY FAMONOANA NOHO NY POLITIKA ETO
Mampiahiahy sy mampametra-panontaniana ny fisiana olom-boafidy indrindra ny Ben'ny tanana maty na novonoina tamin'ny fomba hafahafa tato ho ato. Tranga nitana ny sain'ny maro ny nahafatesan'ny PDS na Filohan'ny Delegasionina manokan'ny Kaominina Antananarivo Itompokolahy Ramanambitana Richard, nodimandry ny septambra 2024. Ny anabaviny no nilaza taty aoriana fa namosaviana sy niniana novonoina ny anadahiny. Mbola vao tsy ela fa ny volana martsa 2025 teo ny namonoana an-dRasazy Narindra Ben'ny tanànan'i Mangataboahangy rehefa nanelingelina ny tombotsoa ara-toekaren'ny mafia,...
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT