Tsipahan’ny Tim, Mapar, Mmm ary ny Marina ny fifidianana loholona notanterahana tamin’ny 29 desambra 2015.
Fandikan-dalàna mantsy ny nanaovana ny fandatsaham-bato nandritra ny vanim-potoan’ny orana, araka ny voalazan’ny lalàna mifehy ny fifidianana. Mbola nanjaka ihany koa ireo tsy fanaraha-dalàna marobe mialoha, mandritra ary taorian’ny fifidianana, araka ny fanamarihan’ireto antoko sy fikambanana mpifaninana ireto. Ohatra amin’izany fampielezan-kevitra iray volana mialohan’ny fotoana nataon’ny antokom-panjakana, ny lisi-pifidianana tefy manta, ny fampiasana fitaovam-panjakana, ny antsojay sy teritery nianjady tamin’ireo mpifidy vaventy avy amin’ireo manam-pahefana miaraka amin’ny tsy fanajana ny fandatsaham-bato miafina sy tsiambaratelo, ny hosoka tamin’ireo vato nalatsaka na koa ny fanisam-bato mialohan’ny ora voafetra. Sambany raheto teo amin’ny tantaran’i Madagasikara no voasokajy ho heloka sy vato misakana ny fampandrosoana ny tsy fifidianana kandidam-panjakana. Miantso ireo mpikambana ao amin’ny Vaomieram-pirenena mikirakira ny fifidianana hiasa mifanaraka amin’ny fianianana nataon’izy ireo, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hitsara araka ny porofo voarainy ary indrindra indrindra ny filohan’ny Repoblika hanaja ny demokrasia sy ny teny nomeny momba ny fitantanana mahomby ny Tim, Mapar, Mmm ary ny Marina. Seza 6 sisa moa dia mitovy laharana amin’ny Korea Avaratra isika eto Madagasikara, raha eken’ny HCC ny maha-ara-dalàna iny senatorialy farany teo iny. Fankatoavana izay midika fomba fisainana sy fanjakan’antoko tokana. Miray feo ireo antoko politika ireto fa tsy azo ekena ny tahaka izao fa efa tena fanosihosena ny demokrasia ary fanaovana tsinontsinona ny hevitry ny hafa.Mihevitra ireo mpanara-baovao politika fa efa miditra amina dingana iray hafa mihitsy ny fanoherana ny fitondrana amin’izao fotoana ary tena ho vidin’ny HVM lafo ny halabato sy fanaparam-pahefana nataony satria tsy hipetra-potsiny ireto antoko politika ireto izay samy manana ny maha izy azy ary manana ny olony manarena ny nosy sy any ivelany ihany koa, ary mety mbola hisy antoko sy fikambanana politka tofoka amin’ny fizahozahoan’ny HVM ihany koa aza hanatevin-daharana azy ireo atsy ho atsy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.