Politique

Mahery Lanto Manandafy Voaantso eny amin’ny tribonaly indray


  • Talata 06 Desambra 2022

Voaantso eny amin'ny tribonaly eny Anosy indray amin’ity Talata 6 desambra 2022 ity ilay mpampaneno lakolosy tao anaty tambazotran-tserasera, Mahery Lanto Manandafy na Malama.

Raha tsiahivina dia ny 28 novambra teo izy no niakatra fitsarana voalohany taorian’ny fanadihadiana azy teny amin’ny borigady misahana ny heloka ana habaka ary nanadobohana azy am-ponja vonjimaika teny Antanimora ny 30 septambra 2022 noho ny resaka fanalana Baraka teratany vahiny iray izay nolazainy fa mpamatsy bala na fitaovam-piadiana ireo dahalo miaraka amina tomponandraikitry ny filaminana iray ao amin’ny fiadidiana ny repoblika. Rehefa nandeha moa ny fitsarana dia niampy indray ny vesatra maha voarohirohy an’I Malama dia ny resaka fakana sary ny valizin’ny filoham-pirenena teny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato. Andrasana kosa ny anton’ity fiantsoana anio ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT