Politique

Mahery Lanto Manandafy Tsy misy datim-pitsarana, nitory faninefany


  • Zoma 04 Novambra 2022

Nametraka fitoriana faninefany i Mahery Lanto Manandafy taorian’ny tsy nandraisana ireo fitoriany teo aloha mahakasika teratany vahiny iray,

raha fanazavan’ny vadiny tamin’ny fampahalalam-baovao iray omaly. Iray volana sy telo andro, mbola tsy nandeha ny fotoam-pitsarana, ary na ny daty aza mbola tsy fantatra, ka nilazan’ny vadiny fa mihisatra tanteraka ny raharaham-pitsarana. Raha hiverenana, ny 30 septambra 2022 no naiditra am-ponja vonjimaika i Mahery Lanto Manandafy taorian’ny ampamoaka nataony, nanonona teratany vahiny iray ho mpamatsy bala ny dahalo. Tsy naka mpisolovava moa I Mahery Lanto Manandafy. “Marina fa ity teratany vahiny ity no nandrahona azy. Mahita fihetsika hafahafa eny an-dalana izahay. Nanamafy fa tambajotra matanjaka, ary efa nilaza fa manana ny hoenti-manana hanao zavatra tsy ampoizina”, hoy Rtoa Doris Rakoto Samuel. Tsara ny mampahatsiahy, fa ankoatra io vazaha io, dia nisy ihany koa olom-boafidy, mpitandro filaminana miasa any amin’ny Fiadidian’ny Repoblika notononin’I Mahery Lanto Manandafy ho mpiara-miketrika asa ratsy fandripahana mpitandro filaminana sy vahoaka amin’ny alalan’ny famatsiana bala. Ny tenany no nampirimina any Antanimora, fa ny zavatra nambarany toa tonga amin’ilay hoe: azo raisina fa tsy mitombina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT