Politique

Mahery Lanto Manandafy « Tsy mampatahotra ahy ny migadra, mitohy ny tolona »


  • Alatsinainy 02 Janoary 2023

Nivoaka ny fonja ny faran’ny taona 2022 teo ny mpampaneno lakolosy an-tambazotran-tserasera, Mahery Lanto Manandafy na Malama,

rehefa tapitra ny fe-potoana voafaritry ny lalàna ahafahana mitana azy am-ponja vonjimaika na MD 3 volana. Tafavoaka ihany, hoy ny tenany, ary tsy nihambahamba izy nanamafy fa mitohy ny tolona! Tsy misy manaiky hoe izany vazaha hizara basy izany eo, hoy izy. Efa hitako izao ny migadra ary tsy mampatahotra ahy izany. Efa haiko izany. Tantano tsara ity firenena ity . Arako tsara ny vaovaon'ny antenimieram-pirenena sy ny resaka volam-panjakana lany, hoy hatrany ny tenany. Nirary soa ny malagasy rehetra moa, ankoatran’izay, i Malama noho izao fahatongavan’ny asaramanitra izao. Araka ny tatitra nataon’ny vadiny, Doris Rakoto Samuel, fony izy tany am-ponja farany teo moa dia nilaza I Malama fa hisy ny fipoahana aorian’ny fety. Arahana akaiky hatrany ny tohin’ity raharaha ity. Ahoana kosa ny mikasika ireo voatazona am-ponja vonjimaika hafa noho izay resaka fampanenoana lakolosy an-tambazotran-tserasera izay hatrany ?
J. Mirija
Legende: Malama mivady
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT