Politique

Mahery Lanto Manandafy Tsy avela mifanerasera amin’ireo gadra politika


  • Talata 08 Novambra 2022

Naiditra am-ponja vonjimaika ao Antanimora ny tolakandron'ny zoma 30 septambra 2022 i Mahery Lanto Manandafy taorian'ny nampakarana azy fampanoavana.

Rehefa avy natao famotorana tao amin'ny sampana miady amin'ny heloka ana habaka na “Cybercriminalité” eo anivon’ny polisim-pirenena noho ny fitoriana nataona teratany vahiny iray mpandraharaha azy ho nanao fanalam-baraka. Nilaza tsy hanao fangatahana fahafahana vonjimaika moa ny lehilahy, raha ny nambaran'ny vadiny. Nametraka fitoriana ity teratany vahiny, nolazainy fa tompon'ny famarotana antsokosoko bala entina amonoana ny Malagasy, ampiasain'ireo dahalo, i Malama, raha ny fanambarana nataon'ny vadiny hatrany nefa tsy noraisin'ny fitsarana izany fitoriana izany, hoy izy. Raha ny fantatra moa dia tsy avela hifanerasera amin'ireo gadra mpanao politika ao Antanimora ihany koa i Mahery Lanto Manandafy tao anatin’izay 39 andro izay, hoy kosa ny fampitam-baovao voaray omaly.
J.Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT