Politique

Mahery Lanto Manandafy Hitory noho fandrahonana ho faty nahazo azy


  • Alatsinainy 10 Oktobra 2022

Hametraka fitoriana eny amin'ny Borigadin’ny polisy misahana ny heloka bevava na ny BC Anosy i Mahery Lanto Manandafy anio amin’ny 10ora atoandro eo ho eo noho ny fandrahonana ho faty nataon'ilay vazaha nitory azy,

raha nifanena tao amin'ny Cybercriminalité naka ny fampanantsoana azy i Mahery Lanto Manandafy na Malama. Asa na ny vadiny na mpisolovava no hametraka fitoriana amin’ny anarany? Raha tsiahivina, notorian’ilay vazaha antsoina hoe: Olivier Blancart i Mahery Lanto noho ny famosahany ho fanta-bahoaka fa mpamatsy bala ny dahalo io, misy polisy ao amin’ny Fiadidian’ny Repoblika mpanatitra izany, ary misy depiote ihany koa notondroiny fa mpiray afera. Vokany, nidoboka am-ponja vonjimaika nanomboka ny 30 septambra teo i Malama. Nisy ny tsindry hamoahana ny loharanom-baovao momba io afera io, saingy tsy nanaiky hatramin’ny farany i Malama, ary naneho fa norahonana ho faty. “Tena nisy ny fandrahonana ho faty nataon'ilay vazaha an'i Mahery Lanto Manandafy ary tao amin'ny faritry ny sampana cybercriminalité Anosy no nitrangan'izay tamin'izy naka ilay taratasy fiantsoana azy.Nisy polisy nanatrika ary nahare tsara io fandrahonana io.Hametraka fitoriana izahay.Raha ny fahitako azy, milamin-tsaina i Mahery Lanto Manandafy ary miandry am-pitoniana ny ho tohin'ny raharaha any am-ponja", hoy ny vadiny raha nivahiny tao amin’ny Top Radio FM 102.8 ny faran’ny herinandro teo. Hatreto, Malama ihany no nidoboka am-ponja, fa ny zavatra nambarany toa niniana nohamaivanina, ary heverina fa ho fampanginana azy ny fanagadrana na ekena tokoa aza fa efa manana sazy mihantona izay nihatra avy hatrany izy noho ny fisiana raharaha hafa nitoriana azy. Zavatra saropady, misy resaka fandatsahana aina Malagasy na sivily na miaramila ny raharaha, raha tena mitombina, ary ho fiarovana ny ain’ny mpiray tanindrazana no nambara fa antony nanaovany an’ireny. Tsy fiarovana an’iza, na koa fanamelohana an’iza, fa hatreto aloha tsy mbola misy fanadihahadiana re mikasika ilay vazaha io. Teo ihany koa ny fisiana olona miasa eo amin’ny Fiadidian’ny Repoblika sy olom-boafidy ao amin’ny Antenimieram-pirenena nolazainy, saingy ny fonja no setriny. Hisy fijerena sy fihainoana ve ny fitoriana hataon’i Mahery Lanto Manandafy sa ho very an-javony tahaka ny fitoriana nataon’i Ravo Ranambinina momba ny ahiahiana kolikoly amina miliara maro tao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana ary izy indray aza no natao maty henjika?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT