Higadona anio amin’ny 3ora tolakandro eny amin’ny seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Ivato ny Barean’i Madagasikara.
Hotsenaina amin’ny fomba makotrokotroka ireo maherifontsika izay nitondra rivo-baovao ho an’ny Malagasy manontolo satria tena niady ho an’i Madagasikara, ary nahavita nampiombona ny Malagasy iray manontolo. Ivato, handalo ny lalam-baovao, Tsarasaotra, Alarobia, Ankorondrano, Antanimena, Analakely, Ambohidahy ary Mahamasina. Hijanona roa andro eto Madagasikara, ka tafiditra ao anaty fandaharam-potoana ny fandraisan’ny filoha eny Ambohitsorohitra sy hiara-kisakafo aminy eny Iavoloha ary hotolorana mariboninahitra. Na teo aza ny faharesentsika teo amin’ny dingana ampahefa-dalana sy ny mety ho fahakiviana na teo amin’ny mpilalao na teo amin’ny mpankafy, dia miray fo sy miray feo tanteraka. Mitodika any amin’izy ireo ny fo sy sain’ny Malagasy manontolo, ary tena manohana na tamin’ny fahombiazana na tamin’ny fahalavoana. Azo antoka fa hisinda tanteraka ny tandindon’ilay fiondrehana teo anatrehan’ny Tonizianina fa hery lehibe hahafahana miomana sy miroso amin’ny dingana manaraka ny fiombonam-po hatrany eo amin’ny mpilalao sy ny vahoaka Malagasy tsivakivolo. Nahafahantsika nanovo lesona maro be ihany koa ny fiatrehana ny « CAN 2019 » na ho an’ny mpitantana na ho an’ny mpilalao na ho an’ny mpankafy. Nipetraka ho modely ny Malagasy tamin’ny fiaraha-mientana teo amin’ny mpilalao sy ny mpanohana ary tsara laza manerana izao tontolo izao. Hitan’ny mpitondra sy ireo rehetra nakany Egypta ny fandrosoana sy ny zava-misy azo ampiharina aty Madagasikara toy ny resaka fotodrafitrasa mila hatsaraina, ka any taona mba i Madagasikara no hampiantrano ny CAN. Mendri-piderana ny fihetsika fanaon’ny mpijery nanadio rehefa tapitra ny lalao ny, ka inoana sy azo antoka fa hiseho izany etsy Mahamasina na amin’ireo kianja hafa rehefa misy lalao goavana fa tsy sanatria ho feno loto sy fako na tavoahangy feno maloto. Hiakatra ny fankafizan’ny Malagasy ny baolina ary tena ho mpanohana na amin’ny tsara na amin’ny ratsy, fa tsy hanao sakaizan’ny mpandresy fotsiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.