Miisa 24 mianadahy ireo kandida nilatsaka hofidina ho solombavambahoaka any amin’ny Distrikan’i Tolagnaro, ka vehivavy ny 6 amin’izy ireo.
Rehefa natao ny antsapaka tao amin’ny CED dia Atoa Mahazovelo Raymond, kandida natolotry ny Zanak’i Dada no laharana voalohany ao amin’ny biletà tokana. Tombanan’ny maro ihany koa fa izy no ho voalohany amin’io fifidianana hatrehina io. Tsara tsodranon’ny filoha Marc Ravalomanana izy. Izy rahateo no filoha mpitarika ny antokon’ny Zanak’i Dada ao an-toerana. Mpiasan’ny rano sy ny ala teo aloha efa misotro ronono, ary manana andraikitra lehibe eo anivon’ny fiarahamonina na ara-pinoana izany na eo amin’ny asa sosialy Atoa Mahazovelo Raymond. Efa nitana andraikitra tao amin’ny Kaominina ambonivohitr’i Tolagnaro koa ny lehilahy. Nilaza izy fa vonona hitondra ny hetahetam-bahoaka, ary hiady ny tombontsoan’ny vahoaka eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Manainga ny vahoaka ny tenany sy ireo mpiray lisitra aminy, ho tonga hamita ny adidy maha olom-pirenena ny 20 desambra ho avy io ka hahay hanavaka tsara ny vary sy ny tsiparifary.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.