Politique

Mahazoarivo Nihaona tamin’ny praiministra ny masoivoho Frantsay vaovao


  • Alarobia 12 Oktobra 2022

Nitsidika tamim-pomba fifanajana ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny Ambasadaoro vaovaon’i Frantsa, Andriamatoa Arnaud Guillois, izay miasa sy monina eto amintsika, omaly.

Nibahan-toerana tamin’ny diniky ny roa tonta ny fanamafisana ireo vinam-piaraha-miasa hotanterahina eo amin’i Madagasikara miaraka amindry zareo Frantsay.Anisan’ny nasongadin’ity diplaomaty frantsay ity ny sehatry ny angovo, ny fikajiana ny tontolo iainana, ny fampiroboroboana ny toe-karena izay handraisan’ireo orinasa frantsay anjara amin’ny alalan’ny famoronana asa sy fanofanana ho an’ny tanora Malagasy. Mbola olana goavana eto amintsika mantsy io ary tokony hitadiavam-bahaolana haingana. Ankoatra ny fidonanam-poana dia lasa mangalatra sy manao ny tsy fanaony ireo tanora ka tokony handraisana fepetra hentitra.Heverina hitarina eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny kolontsaina ihany koa ny fandaharan’asa hiarahan’ny firenena roa tonta, hoy hatrany ity Ambasadaoro vaovao ity teo am-pamaranana ny resaka nifanaovany tamin’ny praiminisitra.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ny roa tonta omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT