MAHANA TAMIN’NY NATAO

Izay rehetra maneho hevitra hafa dia hanongam-panjakana ?


  • Zoma 18 Aprily 2025

MAHANA TAMIN’NY NATAO Izay rehetra maneho hevitra hafa dia hanongam-panjakana ?

Lasa marika ahafantarana ity fitondrana Rajoelina ity ny fanaovana don-tandroka amin’ireo izay maneho hevitra mifanohitra amin’ny eritreriny. Mivoaka ny karazana voambolana sy fehezanteny avy any amin’ny manampahefana avy eo hoe : manakorontana, tsy nahazo alalana, manohintohina ny filaminana, manala baraka ny firenena, avelao ny olona hiasa, manohitra ny fandrosoana.
MAHANA TAMIN’NY NATAO
Rehefa tena miitatra moa ilay izy dia lazaina mihitsy hoe mikonokonona fanonganam-panjakana. Lazaina anefa hoe maivana ny mpanohitra, ka maivana ve ahavita hanongana fanjakana ? Raha ny tena marina, hoy ry zareo mpanohitra dia matahotra mafy ny manampahefana satria ry zareo ireo naka fahefana tamin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009. Ka izay rehetra mihetsiketsika, mivory, maneho hevitra an-dalam-be tonga dia hoe hanongam-panjakana amin’izy ireo. Etsy ankilan’izay , raha mbola hoe firenena demokratika, izay aloha hatreto i Madagasikara, dia mila mahazaka ny karazana fanehoan-kevitra ny rehetra. Ary tsy tokony ho adinoina fa ny zavatra iray anie arakaraka ny handraràna be fahatany azy no vao miha manetsika ny lohan’ny olona hanao azy e.
ETIKA
Ireo firenen-dehibe mandroso rehetra ireo, dia henjana be ny fanehoan-kevitry ny mpanohitra any amin’izy ireo. Tena mbola maivana ny zava-mitranga eto Madagasikara, raha oharina amin’ny ataon’ny mpanao politika any amina firenen-kafa. Fepetra takiana ao anatin’izany rehetra ihany kosa anefa ny fananana etika politika sy soatoavina amin’ny fanaovana politika. Tsy mety ilay politikan’ny sakaizan’ny mpandresy sy ny politikan’ny any amin’izay maha tolotolotra fanomezana sy vola be. Sarotra ny inoana fandrosoana sy fivoarana raha mbola hevitra tokana no terena ho eken’ny rehetra eto, mila mahay mifampihaino ary mila mahay mandrindra sy mandamina ny mpitondra fanjakana, nampindramina ny fahefana fa tsy hoe hampitahotra sy hisambotra ary hanagadra foana.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT