“Ekena fa i Marc Ravalomanana no mety ho lohan'ny mpanohitra ary tsy azo iadian-kevitra io. Saingy mitondra tena toy ny antoko MMM tarihan` i Hajo Andrianainarivelo tamin'ny taona 2016.”, hoy i Mahajoro REKANY,
sekretera jeneralin`ny antoko Humaniste et Ecologiste. Tsy mijery ireo antoko hafa sahy nanambara fa ara-dalàna. Mazava ny lalàna, ny antoko mpanohitra dia voafidin'ny antoko "fanoherana ara-dalàna". Afaka matoky i Marc Ravalomanana sy ny TIM, hoy izy, ary raha tsy maharesy izy amin'ny fifidianana voalohany, ireo solombavambahoaka TIM dia afaka amin'ny alalan'ny lalàna, hanongana ilay voafidy ny ampitso ihany. Misy kosa, hoy I Mahajoro REKANY, ny « opposition plurielle ». Raha tsiahivina, nahitana kandidà 13 tamin’ny fifidianana filoham-pirenena frantsay ary tsy mbola misy eo amin’ny fitondrana. Raha lavin'ny HCC fanintelony amin'ny fahatongavan'ny mpitarika ny mpanohitra dia ny tamin`ny andron` ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina no miverina: tsy fandeferana. Hilaza izy ireo fa mila didim-panjakana avy amin`ny mpanatanteraka mba ahafahana mampihatra lalàna iray nataon'ny parlemanta. Amin`izay kosa dia hisy ny lehiben`ny mpanohitra, ara-dalàna eo imason`ireo mpiantsehatra politika, izay dingana tokony ho nataon`i Hajo Andrianainarivelo tamin`ny taona 2016.Mampiavaka an'i Madagasikara anefa, dia ny manana olom-boafidy maro an`isa amina fifidianana ka afaka mandrafitra Lalàmpanorenana ho an' ny fitsapan-kevi-bahoaka izay tsy azo ihodivirana. Nambarany fa na misy ny finiavana hanova ny lalàna, na ny Lalàmpanorenana aza, ka mandrapiandry izany, tsy maintsy hajaina ireo. Ny fanovana ny lalàna ataon`ny maro an'isa dia ho fiheverana ny fanamafisana ireo fepetra ahafahana mametraka izay mpitarika ny mpanohitra, hoy hatrany ny fanazavana. Ny mpanohitra dia andrim-panjakana ary ao amin'ny lalàna izany. Ho an`ny antoko Humaniste et Ecologiste, dia efa manatona an'ny antoko Tim, Tamami, Manda, Solid sns… nanomboka tamin'ny volana janoary lasa teo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.