Politique

Mahajanga sy Mahamasina Nohogahogain’ny olona Rajaonarimampianina


  • Alatsinainy 16 Aprily 2018

Efa lalina loatra ny fankahalan’ny ankamaroan’ny vahoaka ny filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina, raha dinihina amin’ny zava-nisy ny faran’ny herinandro teo.

 Niezaka nanao seho ivelany ny HVM tany Mahajanga, ny sabotsy teo nandritra ny nitokanan’ny filoha ny hotely kintana efatra Baobab Tree an’ny mpandraharaha tsy miankina. Raikitra ny fanangonan’olona nanotrona ny filoha vao nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Amborovy, saingy ireo olom-panjakana ny ankamaroany. Mba niomana ihany koa ny vahoaka tsy mpankasitraka tamin’ny filanjana sora-baventy tsy  fankasitrahana izao fitondrana izao, indrindra fa ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Nomena baiko avy hatrany kosa ny mpitandro filaminana haka ny sora-baventy nentin’ireo vahoaka naneho hevitra. Mitovitovy amin’izay ihany koa ny zava-niseho tetsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina omaly hariva nandritra ny famaranana ilay lalao Amboaran’ny filoha na ny “coupe du président”. Tratry ny horakororaka sy siotsiokan’ny olona ny tenany, ary vao mainka nanome endrika ratsy azy ny fahatapahan-jiro tampoka. Teo am-panolorona ny amboara ny minisitry ny angovo Lantoniaina Rasoloelison no nitranga ny fahatapahana, ka tsy hay na fifandrifian-javatra ihany efa fambara ratsy ho an’ny mpitondra ireny. Miseholany sy miseho ampahibemaso ny tsy fankasitrahana ny filoha, ary manomboka tsy matahotra intsony ny olona. Hahatonga saina azy sy hitondra azy amin’ny fanajana tena tsy hikiry hifikitra amin’ny fahefana ve izany sa hitohy ny didoha noho ny fitiavan-tseza?

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT