Mahajanga

Kandida 2 tratry ny tsindry tsy hanao propagandy


  • Alakamisy 05 Desambra 2024

miha mafana hatrany ny toe-draharaha ara-pifidianana amin’izao fotoana izao.

Mandeha ny tsindry samihafa, mitombo ny ahiahy maro lafy, raha tsy hilaza afatsy ny mikasika lisi-pifidianana amin’ny alalan’ny « ordonnance » izay mitombo ny ahiahy amin’ny fanabontsinana ny lisitra ahiana ho amin’ny tombotsoan’antoko na vondron’olona manokana. Raikitra ihany koa ny tsindry politika samihafa. Raha ny vaovao voaray omaly, kandida roa ao Mahanjanga ankehitriny no voalaza fa tratry ny tsindry na hanaovana tsindry mivantana na ankolaka mba tsy hanohy propagandy intsony fa hanohana Kandida hafa. Asa na misy ifandraisany tamin’ny fahatongavan’ny mpitondra ambony sasany tany an-toerana tamin’ity herinandro ity na fifandrifian-javatra ihany ? Tsy vaovao amin’ny tontolon’ny politika sy ny fifidianana eto amintsika ny toa io, fa efa nisy ny tranga tahaka izany toy ny tany Manakara tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT