Politique

Magro Behoririka Tsy mankasitraka intsony ireo nivadika


  • Alarobia 05 Oktobra 2011

Tsy manaiky ny hiverenan’ireo efa nisintaka taminy ao an-kianja ny mpitolona ao amin’i Magro ka namaly ampahibemaso ny feo aely amin’ny mety hiverenan’izany Dauphin izany, ohatra, ireo mpandahateny tahaka an’i Manantsoa Odette.

 Nanampy sady nahitsihitsy kokoa aza i Dominique nanamarika fa : efa hitan’ny olona niaraka tamin’i Yves Aimé ianao ry Dauphin ka mbola haninona ato amin’ny Magro ? Soa fa hendry ny vahoaka eto an-kianja fa raha tany amin’ny hafa ianao hafa ny zavatra nitranga, sa dia efa mahatsiaro voailika sy manenina sahady ? Milamina ny saina rehefa tsy nivadika ary tsy mivorivory etsy sy eroa satria manaraka ny tenin’i Dada, hoy ny Depioten’i Faratsiho teo aloha Randrianjatovo Henri Victor. Mazava ny tenin’ny Filoha Ravalomanana, hoy i Zafilahy Stanislas, tsy misy mandeha havia sy havanana fa miandry ny Troika. Isaorana Ravalomanana nampiditra an’ i Madagasikara tao anatin’ny SADC fa raha rafitra hafa mahazo laka ny Frantsay dia hafa ny zavatra nitranga, hoy i Camille Mektoub.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT