Magro Behoririka

> Mafanafana rŕ ireo mpitolona


  • Sabotsy 28 Desambra 2013

Mpitolona tsotra avokoa omaly zoma 27 desambra no nandray fitenenana tetsy amin’ny Magro Behoririka.

Ny fihetseham-po mivantana no mivoaka ny vavan’izy ireo araka izany ka nanakoako tao ny tsy fanekena lembenana ny hala-bato miseho lany manerana ny Nosy mba hampandresena ireo kandidam-panjakana ary itondran’ny mpitolona samihafa porofo mivaingana. Nampahatsiaro ny fanombohan’ny tolona fiarovana ny ara-dalàna sy ny famerenana an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana teny Ambohijatovo fahiny ny zava-nisy tetsy Behoririka tamin’io omaly io. Tena mafanafana rà ireo mpitolona ary nasehoany mazava tamin’ny feo avo fa vonona ny hiaro ny safidiny izy ireo na inon-kidona na inon-kihatra. Miandry ny fanomezana vokatra mazava sy azo antoka avy amin’ny tompon’andraikitry fampielezan-kevitry ny kandidà Dr Robinson Jean Louis na izy tenany mihitsy aza ny mpitolona. Aza avela hatoritory ity Magro ity, hoy i Robert fa ampiteneno. Aoka isika tsy ho variana amin’ny famoaham-bokatra sy resabe ataon’ny haino aman-jery samihafa, hoy izy, fa fotoana ijoroana izao. Nambaran’i Robert fa efa mandeha ny fandrahoanana any an-tanàna any milaza fa ho samborina izay mbola miteny an’izany fiverenan-dRavalomanana Marc izany. Tsy hanaiky velively ny fanosihosena ny safidintsika miseho lany izao isika, hoy i Nenifara.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT