Tsy nampitsoaka ireo mpitolona tao Antsirabe ny ora-nikija ny tolokandron’ny sabotsy 15 oktobra teo satria hita ho tena liana tokoa ny olona mahakasika ny fivoaran’ny raharaham-pirenena.
Raha ny fahitana azy dia velom-panantenana tanteraka ireo mpitolona tamin’ny asan’ny Troika teto Madagasikara ary matoky tanteraka ny fomba fiasany. Marihina moa fa ireo mpanolotsaina avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara no nikarakara ny hetsika io sabotsy io ka dia vory lanona doholo ireo mpanolotsaina Kaominaly notarihin’i Dadamanana ary ny mpanolotsaim-paritra notarihin’Atoa Rabemizana. Ireo nandaha-teny dia nanipika fa tapitra hatreo ny lalan’ny FAT amin’ny fandehanana irery satria tomoron’ny Troika akaiky ny fampiharana ny tondrozotra ary dia tsy nihambahamba nilaza fa be ny mihozongozona ny sezany ary dia ho diso fanantenana amin’ny fanitarana ireo andrim-panjakana satria dia fanavaozana tanteraka no atao.
Hiharihary toy ny kary an’efitra ihany koa ireo namadika ny filoha Ravalomanana manomboka eto satria tsy tafiditra any amin’ny FAT no efa naloan’ny vahoakany. Fa nandritra ity hetsika ity ihany koa no nitateran’Atoa senatera Lanto Rabenatoandro ny tatitra vokatry ny dian’ireo diplaomaty avy amin’ny Troika izay fifanarahana amin’ny fampiharana ny tondrozotra ka nanazavany fa efa vita ny 30 septambra 2011 iny taratasy iny fa tsy naseho tany Afrika Atsimo tamin’ny dian’ireo G8 farany teo fa niniana natao taty Madagasikara mba tsy hisian’ny dika vilana indray hampisavorovoroana ny saim-bahoaka toy ny fanao ka be ireo tankina. Nanambara moa ity loholona ity fa mitohy hatrany ny tolona ao amin’ny Magro Avaratsena ary miomana avy hatrany amin’ny fitsenana ny filoha indray ny dingana manaraka satria tsy azo hihodivirana ny fodiany eto Madagasikara ary tsy azon’iza n’iza sakanana izany. Marihina fa tonga tao Antsirabe avokoa ireo mpanolotsaim-paritra avy any Antanifotsy sy Betafo ary Antsirabe, ankoatra ireo efa niova fitàna.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.